Napetraka eto Antsirabe sy ny manodidna ihany koa amin’izao ny « point de contrôle sanitaire » na toeram-pizahana ireo fiara mitondra mpandeha mandalo na mivoaka an’Antsirabe. Natao izao mba ahafahana manara maso sao misy amin’ireo mpandeha no ahitana aretina hafahafa na misy pesta mihitsy. Tanjon’ity paik’ady ity moa ny tsy hiparitahan’ny valan’aretina. Toerana telo eto Antsirabe no namenatrahana ny « point de contrôle sanitaire », ny lalam-pirenena faha 7, izany hoe vao miditra an’Antsirabe, ao Antsapanimahazo- Sahatsiho ireo taxi-brousse dia mandalo fizahana avokoa, miampy ireo mpandeha rehetra ka raha misy aretina hafahafa amin’ireo mpandeha dia avy hatrany dia handraisana fepetra sahaza azy, araka ny fanazavana. Ny toerana faharoa dia ao Mandaniresaka, izany hoe ireo fiara avy any Atsimo rehetra dia mandalo fizahana ao ihany koa. Ny farany moa dia ao Tsivanitrinikamo, amin’ny RN34. Nambaran’ny talem-paritry ny fahasalam-bahoaka eto Vakinankaratra fa efa misy ny fanafody sy fitaovana ampiasana amin’izany toerana izany. Misy ihany koa ny “ambulance” an’ny BNGRC hitondrana ireo marary raha sanatria misy. Ahitana mpiasan’ny fahasalam-bahoaka, mpitandro filaminana sy ny ATT ary ny Croix Rouge ny « point de contrôle sanitaire rehetra ».
Andry N.