- Publicité SW45 -
samedi, décembre 14, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversVAKINANKARATRA ANTSIRABE :  Feno 35 taonany ny FIFATA 

VAKINANKARATRA ANTSIRABE :  Feno 35 taonany ny FIFATA 

Fikambanana Fampivoarana ny Tantsaha na FIFATA, mazava fa eny amin’ny tontolo ambanivohitra no sehatra hiasany. Ny volana Septambra 1989 no nitsanganany ary tamin’izany fotoana no efa nanohana ny famokarana tantanam-pianakaviana. Feno 35 taona katroka noho izany ny FIFATA, tsy namela izany fotoana manan-danja izany nandalo fotsiny ny fikambanana fa nisy ny fanamarihana izany tamin’ny fomba ofisialy. Hateloana ny naharetan’ny fanamarihana, nanomboka ny 25 Septambra lasa teo, ny datin’ny 27 Semptambra no ivon’ny fankalazana. Tonga nanome voninahitra ny fotoana ny minisitry ny fambolena sy fiompiana Hajarisona François Sergio. Nambaran’ity farany fa manana anjara toerana lehibe amin’ny fampandrosoana ny firenena ny tantsaha indrindra eo amin’ny lafiny fahavitan-tena ara-tsakafo, mendrika homen-danja izy ireny ary mila tohanana amin’ny lefiny retra mihitsy. Tsy mitsaha mitombo ny mpikambana tao anatin’izay 35 taona nijoroany izay, ankehitriny mahatratra 369 500 isa ny mpikambana. Faritra 12 no eto amin’ny Nosy no ahitana azy. Tantsaha maherin’ny 3000 isa avy amin’ireo faritra miisa 12 ireo no tonga teto Antsirabe nanamarika ity faha 35 taonan’ny FIFATA, tao amin’ny Tsivatrinikamo, toerana misy ny foiben’ny FIFATA eto Antsirabe no nanaovana ny lalonana. 

Andry N. 

- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici