Roa taona ny faharetan’ny asa iantsorohan’ireo mpilatsaka an-tsitrapo japoney miasa eto Antsirabe avy amin’ny JICA. Nanao ny tatitra ny zava-bita nandritra izay roa taona izay izy ireo ny Talata 29 May teo tao amin’ny tranobe fivoarian’ny faritra. Amin’ny ankapobeny dia nahafa-po ny zava-bita, satria nitondra fampandrosoana sy fivoarana teny amin’ny tontolo ambanivohitra ny fisian’izy ireo. Misehatra amin’ny fampandrosoana ny tontolo ambanivohitra dia ny fampianarana sy fahasalamana ary fanatanjahan-tena no asa sahanin’ireo mpilatsaka an-tsitrapo ireo. Amin’ity volana jona miditra ity no hamarana ny fe-potoana niasany ireto andiany telo voalohany ireto, izany hoe mbola hisy ny andiany maranaka hoy Voahary Rakotovelomanatsoa tompon’andrikitra amin’ireo mpilatsaka an-tsitrapo eto Vakinankiratra. Miisa 11 ireo mpilatsaka an-tsitrapo miasa sy miparitaka eto Vakinankaratra, dia Antsirabe voalohany, ambimandrosoa ary Betafo. Zava-dehibe ny fisian’ireo mpilatsaka an-tsitrapo ireo hoy ny lehiben’ny faritra Vakinankaratra ny Jeneraly Rakotonarivo William satria mandray anjara mivantana amin’ny fampandrosoana izy ireo, mitondra ny fomba fiainany, manova sy mitondra fanatsara ho amin’ny tsaratsara kokoa hatrany. Ny hirariana hoy izy dia ny hitohizan’ny fiara-miasa eo amin’ny firenena roatonta hatrany ka hisian’ireo mpilatsaka an-tsitrapo hiasa eto Vakinankaratra.
Andry N.
Rotary club Antsirabe : Tontosa ny famindram-pahefana
Tontosa ny faran’ny herinadro lasa teo ny famindram-pahefana ny filoha vaovao hitantana indray ny Rotary Club Antsirabe. Rtoa Ranoroniana Dina Claudia, izy indray no filoha vaovao hitantana ny Club Rotary eto Antsirabe mandritra ny iray taona araky ny voarakitra amin’ny fitsipi-pitondrana. Marihina fa tamin’ny alalan’ny fihaonam-be no nanaovana ny fifidianana ny filoha izay hitantana, ary efa fantatra koa ankehitriny ny hitondra ny Club ny taona manaraka sy ny ho avy hatramin’ny taona 2020. Manana ny mampiavaka azy moa ny Club Rotary amin’ny famindram-pahefanana toy izay dia ny fanolorana sy famindrana “collier”. Ankoatra ny famindram-pahefana teo amin’ny filoha dia natao tamin’ity fotoana ity koa ny famindram-pahefana teo amin’ny Rotaract Club sy ny Rotary I Club district 9220. Nandritra ny fotoana dia nisy ny tatitra natao mikasika ny zava-bita nandritra ny fitondra teo aloha sy ny asa miandry izay miompana betsaka amin’ny fanampiana ny mpiara-belona tra-pahasahiranana sy ny sahirana io rahateo ny ifotoran’ny Rotary Club hoy ny fanazavana. Ny sehatry ny tontolo iainana, fampianarana ary fahasalamana io no nambaran’ny filoha vaovao fa laharam-pahamehana ho azy, ary izay rahateo no hafatra napetraky ny governora hoy izy nanamafy.
Andry N.