- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversVAKINANKARATRA : Antsirabe ; Nohavaozina ny Tranoben’ny Varotra sy ny Indostria

VAKINANKARATRA : Antsirabe ; Nohavaozina ny Tranoben’ny Varotra sy ny Indostria

Taoariana kelin’ny nandraisan’ny filoha vaovao Dr Celme Antonio Andrialalanirina hitantana indray ny tranoben’ny varotra sy ny Indostria, na “Chabre de commerce et de L’Industrie”, CCI eto Vakinankatra dia nataony laharam-pahemehana ny fanavaozana indray ity tranobe ity. Trano handrasaina ireo vahiny mitsidika sy mandalo eto Antsirabe ny CCI ka rariny, hoy ny mpitantana, raha asiam-panamboarana, sady endrika sy taratry ny mpandraharaha ihany koa. Amin’ny maha mpanakanto ity filoha vaovao ity dia ny talentany no nampiasany nanaovana fitadiavam-bola tamin’ny alalan’ny seho sehatra sy famoahana raki-kira vaovao. Ny vola azo rehetra tamin’izany no nentina nanamboarana ny trano. Nohamafisiny ihany koa fa tsy ny vola no tena ilaina ho an’ireo izay hanjifa fa ny asa no ilaina. Fandokoana ny rindrina anatiny, fanamboarana ny fitaratra vaky sy fanentsemana ny rindrina tresaka nandritra ny horohoron-tany no vita hatreo. Araka ny fanazavana, am-polontaonany no efa tsy nisy fanamboarana intsony ny CCI.  Fanombohana ihany izao, hoy ny Dr Antonio, fa mbola hitohy ny asa aoriana.

Andry N.

Akademia miaramila Antsirabe

Notokanana ny Amphithéatre mariky ny faha 50 taonan’ny sekoly

Tontosa ny faran’ny herinandro lasa teo ny lanonana FANDRESENA 2017, famoahana tamin’ny fomba ofisialy sy ara-miaramila ny andiany mivantana faha 38 mitondra ny anarana “FANJIRY” sy ny andiany manokana faha 23 misalotra ny anarana “LAFATRA”. Nitarika ny lanonana ny komandin’ny Akademia miaramila, ny kolonely RAMASY Razafindratovo Heritiana teo ambany fiahian’ny filoha Hery Rajaonarimampianina sy ny minisitry ny fiarovam-pirenena. Notokanana taoarian’ny lanonana rehetra  ny Amphithéatre lehibe izay nasiam-panova sy fanatsarana goavana hanamarihana ny faha 50-taona ny sekoly. Nampitondraina ny anaran’ilay Malagasy voalohany nikaomandy ny Akademia Miaramila tamin’ny taona 1972-1957 ny Amphithéatre dia ny Jeneraly RASAMOELY Claude James ho fahatsiarovana azy. Niarahaba sy nanome toromarika vitsivitsy ho entin’ireo manamboninahitra hiatrika ny asa manoloana ny fivoarana misy amin’izao fotoana ny kaomandin’ny sekoly nandritra ny fandraisam-pitenenany.

Andry N.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici