- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversVAKINANKARATRA : Antsirabe Notokanana ny biraon’ny mpisolovava

VAKINANKARATRA : Antsirabe Notokanana ny biraon’ny mpisolovava

Faharoa amin’ny biraon’ny mpisolovava eto amin’ny Nosy ity naorina sy  notokanana teto Antsirabe ity,  ny datin’ny  zoma faha 15 oktobra lasa teo. Tonga dia hiasa avy hatrany ny birao aorian’izao fitokanana izao raha ny fanazavana. Marihina fa eo an-tokotany  atsinanan’ny fitsarana ihany no misy azy ity. Isan’ny hampiavaka ity birao ity ny hisian’ireo mpisolovava hiasa maimaim-poana hiaro ny vehivavy sy ankizy iharan’ny herisetra ary hanampy ireo olona tena mila mpisolovava nefa manana olana ara-bola. Zava-dehibe ho an’ny mpisolovava sy ny asany ny fananana birao manokana toy izao, hoy ny filohan’ny holafitry ny mpisolovava, Hubert Raharison. Voalohany, hoy izy,  ahafahana mamantatra fa tsy afa misaraka amin’ny fitsarana mihitsy ny mpiaro, izay niofana sy nianatra ka neken’ny lalàna ho mpiaro ara-dalàna. Manaraka izany, mba hialana amin’ireo mpijirika sy mpanera ary mpisandoka asa ka mandoto ny asan’ny mpiaro . Nambarany koa fa ahafahan’ny mpisolovava manatona kokoa ny vahoaka, ka azon’ny vahoaka atao ny maka torohevitra ao, satria efa misy efitrano natokana ho an’izany. Izany no natao, hoy ny fanazavana, dia mba hahatoky ny fitsarana ny vahoaka.

Fantatra fa tsy mbola ampy ho an’ny voahoaka eto amin’ny Nosy ny isan’ny mpisolovava. Raha ny antontanisa azo mantsy dia miisa 1000 ny  mpisolovava amperinasa ary ny 32 amin’izy ireo no miasa eto Antsirabe.

Andry N.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici