Tokantrano iray tao Mahazoarivo no nataon’ny mpamaky trano nadiodio, tsy nisy niangana intsony ny entana fa dia tapitra noraofin’ireo mpamaky trano avokoa.
Tsy iza akory ny nahavanon-doza fa ny mpiray tanàna, mpanofa trano iray aminy ihany. Ny tena mahavariana dia vehivavy izy io ary andiam-behivavy hafa koa no nalainy ho namana nanampy azy.
Fantatra fa tsy tao an-tranony ny tompon-trano tamin’io fotoana io, tsy nisy niambina koa ny trano, ny tanàna rahateo nilamina foana hatrizay ka tsy nieritreritra zava-dratsy mihitsy ny tompon-trano. Inona anefa no niseho fa rehefa fantatr’ilay mpiara-manofa trano aminy fa tsy nisy olona tao aminy dia teraka teo ny teti-dratsiny. Tokony ho tamin’ny ho tamin’ny 3 ora maraina no nopoiriny ny varavarana ary nanaram-po ny vehivavy nandroaka ny entana rehetra.
Hatairana ny an’ny tompontrano nahita ny efitranony efa mibanaka, foana tsy misy entana intsony. Nilaza ny mpiray tanàna taminy fa naheno olona miresaka tao amin’io trano io saingy tsy nisy nanampo fa jiovavy no naka ny entana tao. Taoarin’ny fitarainana napetraka teny amin’ny polisy, nanao ny fanadihadiana ireo farany ka tamin’izany no niantefan’ny ahiahy tamin’ilay vehivavy mpiara-manofa trano io. Tsy afa niala ilay ramatoa satria nampangain’ny zanany mbola kely. Nilaza io zaza io fa nisy vehivavy nampiditra entana tao an-trano ary ny reniny no maka ny entana tao an-tokontany. Tsy nisy hirika namaliana intsony ity ramatoa, nanoro ny namany vehivavy hafa nanampy azy avy teo. Rehefa nosamborina ity farany dia mbola ny zanak’io ramatoa io koa no mbola nanoro vehivavy hafa naman’izy ireo. Fantatra fa mbola misy vehivavy iray hafa karohina, voalaza fa izy io no tena atidoha nikotra ity famakiana trano ity. Entana maro no efa tafaverina amin’ny tompony amin’izao, mbola mitohy kosa ny fikarohana ireo namany hafa.
Andry N.