Roa mianady no mpinatra jamba maka fanadiana bakalorea eto Antsirabe. Sokajy A2 sy sokajy L no misy azy ireo. Mpianatra nandrato fianarana tao aminny FOFAJA na « Foibe Fanabeazana ny Jamba » izy ireo hatramin’ny garabola, aorian’ny fahafahana CEPE dia misafidy ny sekoly hianarany izy ireo amin’ny ilay antsoina hoe fanabeazana mampiaty, mifangaro amin’ny mahiratra.
Toy ny isan-taona dia misedra olana hatrany ireo mpianatra sy ny mpikarakara avy amin’ny sekoly FOFAJA satria tsy miara manomboka amin’ireo mahiratra ny jamba fa miandry ny fandikana ny laza adina « en braille » soratry ny jamba vao afaka mikatroka.
Tsy vao sambany akory ity olana ity fa efa hatrizay ary tsy mbola nahitana vahaolana hoy Rtoa Rafarasoahanta mpampiantra ao amin’ny FOFAJA . Isan’ny tena mahatonga ny fahatarana ho an’ireo jamba ny fandikana ny laza adina ho an’ny taranja malagasy sy Anglais satria matetika misy « text » lava be nefa tsy maintsy adika « braille ». Fangatahan’ny tompon’andraikitra ao amin’ny FOFAJA ny hisian’ny laza adina vita amin’ny soratry ny jamba mba hialana amin’ny fampiandrasana lavareny ireo jamba maka fanadinana.
Fa ankoatra izay dia mbola olana ho an’ireo jamba ihany koa ny manohy fianarana aorian’ny fahafahana bakelorea satria tsy misy université afaka mandray azy ireo nefa dia manam-pahaizana ireo ankizy hoy ny fanazavana. Tsy vitan’izay fa lafo dia lafo ny fitaovana ampiasana ho an’ireo afaka manohy fianarana nefa sairana ny ray aman-dreny tsy hanana fahefana.
Tsara ny valim-panadinana ho an’ireo ankizy naka fanadinana indrindra fa ny CEPE, fa somary latsaka kosa ho an’ny BEPC satria maro loatra ny resaka sary tamin’ny laza adina ka sairana ireo jamba.
Andry N.