
Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy ny dingam-piofanana Master I sy II amin’ny Machinisme Agricole ao amin’ny CFAMA, na “Centre de Formation d’Application de Machinisme AGricole” eto Antsirabe. Marihina fa izy ity dia tohin’ny nanokafana ny “systeme LMD” nampiharina teo anivon’ny ivontoeranam-piofanana telo taona lasa izay. Natao tamin’io ihany koa ny famoahana ireo mpianatra nahazo ny maripahaizana “licence” amin’io taranja io, izay marihana fa andiany voalohany misalotra ny anarana ALPHA. Miisa 38 ireo mpianatra ireo ka araka ny fanazavana dia 20 amin’izy ireo no hotsongaina hanohy ny lalam-piofanana hahazoana ny Master I sy II aorian’ny sivana hatao, izany hoe hivoaka ho injeniora ireo mpianatra ireo. Fiaraha-miasa amin’ny oniversite Antananarivo sy ny Oniversite sampana Antsirabe no nahavitan’izao dingana izao, hoy ny talen’ny CFAMA David Rakotoson ary ny ministera no mpiahy azy. Vita Sonia tamin’ny sabotsy 21 may nadritra ny lanonam-panokafana rahateo ny fiaraha-miasa eo amin’ny CFAMA sy ny Oniversite, natrehin’ny minisitra eo anivon’ny fiadidina ny Repoblika miadidy ny fambolena sy fiompiana, Rivo Rakotovao. Mpianatra telo voalohany amin’ireo nahazo ny “licence”no tonga dia horaisin’ny ministera, araka ny nambaran’ny ministra Rivo Rakotovao nandritra ny fandraisam-pitenenany.
Fanamby lehibe napetraky ny CFAMA izao tanteraka izao. Araka ny fantatra mantsy dia ity no ivontoeram-piofanana tokana eto Afrika ary manerana ny ranomasim-be Indianina manofana mpianatra momba ny famokarana fitaovam-pamokarana “machinisme agricole”.
Andry N.
Lisea St Joseph Antsirabe; Hanampy ireo mpianatra hamantatra mialoha ny lalam-piofanana.

Maro amin’ireo mpianatra no tsy mahafantatra akory ny antony hianarany sy handratoana fianara ambony, indrindra aorin’ny fahazoana ny diplaoma bakalorea. Ho fanampiana azy ireo, indrindra fa ireo mpianatra ao amin’ny St Joseph Antsirabe, dia nisy ny antsoina hoe “systeme d’orientation scolaire” nokarakarain’ny sekoly, na “Forum des metiers”. Natomboka ny faran’ny herinandro izy ity, izay nanasana ireo zoky, ray aman-dreny sy mpandraharaha miandraikitra sehatr’asa maro, nifampizara traikefa sy nanoro lalana ireo mpianatra hahay hisafidy tsara ny lalam-piofanany aorian’ny bakalorea, mba hahafahan’ny tanora mijery ny ho aviny. Fanombohana ihany izy ity, raha ny fanazavana nomen’ny tompon’andraikitry ny fandaharana, Atoa Justin Rakotomalala. Raha bangoina izany dia hanampy ny ray aman-dreny sy ny ankizy hahay hisafidy ny zavatra hataony any aoriana no tena tanjon’ity hetsika ity ka hatreto aloha dia ny kilasy voalohany sy ny famaranana ihany no nanombohana azy tamin’ny sabotsy 21 may lasa teo, tao amin’ny lisea St Joseph.
Efa misy ny vinavinan’asa hananganana ny fandaharana telo taona ho avy, ka any amin’ny kilasy fahenina dia efa hatomboka izany. Raha ny rafi-pampianarana misy eto amin’ny firenena mantsy dia tsy mifanaraka velively amin’ny famoronana asa sy ny fitadiavana asa, ka dieny mbola kely ny zaza dia efa hampiana hahay hisafidy ny zavatra tiany sy hainy mba hifanaraka amin’ny asa hataony rahatrizay.
Vina kosa ny fihaonam-be atao amin’ny fanjakana mba hanovana ny rafi-pampianarana hifanaraka amin’ny zava misy eto amin’ny firenena.
Andry N.
Espace Masikita Antsirabe : Hisy kianja “toboggan” hatokana hilalaovan’ny ankizy
Raha toa ka toeram-pialamboly sy toerana natokana ho an’ny asa tanana malagasy ny eo amin’ny “ esapace masikita” Andranomafana dia hiova tanteraka izany atsy ho atsy. Hisy kianja hatokana ho filalaovan’ny ankizy eo amin’io faritra io. Izany dia vokatry ny fiaraha-miasa eo amin’ny fikambanana Tanamasoandro sy ny kaominina. Entana iray kaontenera milanja 4 taonina no fanomezana azo avy amin’ny kaominina Hagondance, any Frantsa, avy amin’ny fikambanana tanamasoadro. Kilalao toy ny “toboggan” lehibe miisa roa no anjaran’ny kaominina tamin’io raha toa ka fanafody kosa ny ambiny izay natolotra ny Hopitaly Andranomadio. Natolotra tamin’ny Alatsinainy 23 may teo ireo fanomezana ireo, izay noraisin’ny ben’ny tanana Paul Razanakolona, tao amin’ny voirie. Efa nisy, hoy ny ben’ny tanàna, ny fifampiraharahana tamin’ny tany ao ambadik’io toerana io, izay misy ny ‘frère’ amin’izao fotoana, ka mety hitarina any ny sehatra. Tsy mbola voafaritra moa hatreto ny fotoana hametrahana azy, satria mbola ho sarotra ihany ny hametrahana ireo toboggan ireo. Fantatra koa fa hisy fanavaozana ny “espace masikita” ka ny orinasa Star no hisahana izany.
Andry N.