Ny faran’ ny herinandro teo dia notafihin’ ny jiolahy mitambasy ny rangahy iray mpanao varo-mandeha . Tokotokony ho tamin’ ny sivy ora alina teo no nisehoan’ ny fandrobana. Miisa efatra ireto olon-dratsy tamin’ izany no sady nanao saron-tava. Nanapoaka basy ry zareo ka avy hatrany dia toran-kovitra tsy nahahetsika ilay mpivarotra . Lasan’ izy ireo tamin’ izany ny lelavola 500.000ar, plaque solaire sy vary iray gony ary enta-madinika maro isan-karazany.
Ny tena mahavariana amin’ itony fanafihana itony mantsy, manerana ny Nosy, dia ampy fitaovana tokoa ny mpanafika. Matetika ary dia ny jiolahy indray no manana fitaovam-piadiana matanjaka sy arifomba lavitra noho ny an’ ireo mpitandro ny filaminana.
ALEM