- Publicité SW45 -
vendredi, décembre 27, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversVakinankaratra : Distrika 6 no hisitraka fampitaovana indostrialy

Vakinankaratra : Distrika 6 no hisitraka fampitaovana indostrialy

Santionan’ireo milina hanodina ny vokatra.

Samy manana ny mampiavaka azy eo amin’ny lafiny famokarana sy fambolena ny distrika mandrafitra ny faritra vakinankaratra. Noho ny teo-tany isaky ny distrika no antony iray hisian’ny fahasamihafan’ ny fambolena sy vokatra. Maro karazana noho izany ny vokatra mivoaka eto amin’ny faritra raha tsy hilaza hafa ankoatra  ny ovy izay tena mampiavaka ity faritra ity. Vitsy dia vitsy anefa ary azo lazaina fa tena tsy misy mihitsy ny indostria afaka  manodina  vokatra eto  fa dia mihonona amin’ny fanondranana sy miafy amin’ny vidiny mora apetraky ny mpanangom-bokatra ny tantsaha, iaraha mahita rahateo ny faharatsian’ny lalana ka tsy afahan’ny tantsaha mamoaka ny vokatra fa ireo manana fiara vaventy no mananararaotra mifehy ny vidim-bokatra. Nitsiry kely anefa ny fanantenan’ireo tantsaha mpamokatra taorian’ny fametrahana milina afahana manodina ny vokatra  mampiavaka ny faritra misy azy avy.

Isan’izany ny distrika Faratsiho izay nisitrika fampitaovana Indostrialy hanodidina ny ovy ho lasa “Chips”. Raha ny antotanisa dia fantatra fa mamokatra ovy hatramin’ny 99 000 taonina ny distrika Faratsiho, raha haodina ho Chips izany dia ho tsara vidy kokoa ny ovy ary hahazo tombony ireo tantsaha. Raha ny fantatra matsy dia afaka mamoaka Chips 100kg isan’ora raha ireo fitaovana napetraka tao Faratsiho ireo.

Nahazo  ny anjarany amin’ny fisitrahana ny indostria ihany koa ny distrika Ambatolampy. Ny seham-pihariana ronono no hahazo tombony amin’ny fahazoana ireo fitaovana ireo. Efa manana ny sata mifehy azy rahateo ny seham-pihariana ronono eto Vakinankaratra ary  hinoana fa hampiakatra ny lazan’ny ronon’ny faritra Vakinankaratra ny fisian’ity fitaovana hafahana manodina ronono ity.

Taoarian’ireo distrika roa voalaza ireo dia tsy diso anjara tamin’ny fampitaovana indostrialy ihany koa ny distrika Betafo sy Antsirabe I. Ho an’ny distrika Betafo dia milina tahaka ny napetraka tao Faratsiho ihany koa no nisitrahan’ny distrika, milina hanodina ny ovy ho lasa Chips, samy distrika mpamokatra ovy mantsy ireto faritra ireto. Ho an’ Antsirabe I kosa izay ahitana ireo toerana mpamokatra poama dia milina mpanodina ny paoma ho lasa “vinaigre de cidre. Ny faran’ny herinandro lasa teo no nanoloran’ny ministry ny fampiroboroana ny indostria sy ny varotra ary ny fanjifana Edgard Razafidravaha ireo fitavaoana ireo, nambaran’ity farany fa  amin’ny alalan’ny “appel à projet” no hifantenana an’ireo mpitantana ka ny mpandraharaha, ny koperativan’ny tantsaha ary ny fanjakana no toko telo  mahamasa-nahandro misehatra ao anatin’izany.

Antenainay  anefa fa tsy hijanona fotsiny tahaka ny  vatofototra, na ireny fotodrafitrasa tsy vita hatramin’ny farany eto Antsirabe  ireny ity fametrahana taniketsa indostrialy ity fa hiodina ary hitondra fampandrosoana ho an’ny faritra tokoa.

Andry N.

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici