Ao anatin’ny vina, ho fanatsaràna tanteraka ny fiofanana omena an’ireo mpianatra ho polisy, miofana eo anivon’ny Sekolin’ny polisim-pirenena na Eniap ao Antsirabe, dia nisy ny fananganana fotodrafitrasa vaovao, ao an-toerana. Ny alahady lasa teo, nandritry ny fandalovany tao Antsirabe, dia nitsidika ity tanikentsan’ny pôlisy ity ny Ministry ny Filaminam-bahoaka, ny Contrôleur Général de Police Rakotoarimanana Herilala. « Tamin’izany no nijereny akaiky ireo fotodrafitrasa vaovao izay entina hanatsarana ny fampiofanana ao amin’ny Sekoly » hoy ny fampitam-baovaon’ny pôlisy. « Nihaona tamin’ireo tomponandraikitra sy mpampiofana ao amin’ny Sekoly ihany koa ny Minisitra. Nankasitraka azy ireo ny tenany amin’ny ezaka sy fandavantena ka nahafahana mamolavola ireo taninketsan’ny Polisy ». Raha ny fantatra moa dia amin’ity taona ity hanomanana ny faha-20 taona nijoroan’ity sekolin’ny pôlisim-pirenena ity tao Antsirabe. Fankalazana manetriketrika no kasaina ho tanterahana amin’izany, ka ho tsangambaton’izany fankalazana izany ireto foto-drafitrasa vaovao ireto. Ankoatr’izay dia ato ho ato ihany koa ny hamoahana ireo mpianatra hivoaka ho polisy ao anatin’ny andiany Sandratra.
m.L