- Publicité SW45 -
dimanche, décembre 15, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversVakinankaratra - FAAM  : Nanamarika ny faha 20 taona nisiany

Vakinankaratra – FAAM  : Nanamarika ny faha 20 taona nisiany

Manana ny foibeny eto Antsirabe ny FAAM ( sary Andry N).

Federasionan’ny fikambanan’ny olona jamba eto Madagasikara ny FAAM na «  fédération des associations des aveugles de Madagascar ». Raopolo taona nijoroana ny federasiona ankehitriny ary tsy namela izany nandalo fotsiny fy federasiona fa nisy ny fanamarihana izany tamin’ny fomba ofisialy natao teto Antsirabe ny faran’ny heriandro lasa teo.

Antopisian’ny FAAM ny mamolavola sy manohana ireo olona manana fahasembanana ara pahitana na jamba. Ankaotra izay ny hampiroboroboana ny fadraisana anjara feno ny olona jamba eo anivon’ny firaha-monina mba tsy hisian’ny fanilikilihana azy ireo.

Horonan-tsary nampitondraina ny lohateny hoe «  Vonona ilay jamba » no notontosaina ho tsangam-baton’ny ny faha 20 taona. Tantara maneho ny fiainan’ireo olona jamba voahilikilika eo anivon’ny fiaraha monina. Votoatin’ny tantara ny fanentanana ny fiaraha monina mba hanova fomba fijery sy fihetsika amin’ ireo olona manana fahasembanan ara pahitana. Nisy ny fiarahana nijery ilay horonan-tsary ny zoma 7 jolay lasa teo tao amin’ny Ivohay Manampisoa, niarahana tamin’ny governoran’ny faritra Vakinankaratra, no sady Ray mpiahy ny hetsika. Nambarany fa tsy manakana ny olona iray hanao ny adidiny sy ny andraikiny eo amin’ny sehatra rehetra ny toe-batana sy fahasembanana.

Tanjon’ny FAAM ny hanaparitaka ny horonan-tsary, nanomboKa ny Asabotsy 8 Jolay teo no efa natomboka izany  zany ka tao amin’ny Fokrifa Antsirabe no nanokafana azy, aorian’izany dia hitety faritra Ny FAAM.  

Andry N.

- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici