- Publicité -
vendredi, juin 6, 2025
AccueilFaits-DiversVAKINANKARATRA : Fandalovan’ny rivodoza Batsiray Nieren-doza ny faritra Vakinankaratra

VAKINANKARATRA : Fandalovan’ny rivodoza Batsiray Nieren-doza ny faritra Vakinankaratra

Azo hambara ho nieren-doza ny tananan’Antsirabe tamin’ny fandalovan’ny rivodoza Batsirai teo iny satria tsy dia nisy loatra ny fahavoazana lehibe. Tsy nisy ny naratra na aina nafoy, tsikaritra efa nivonona rahateo ny mponin’Antsirabe tamin’ny fiatrehana iny rivodoza iny na dia tsy tena nahery vaika aza ny fandalovany teto.

Tsy nikely soroka koa ny fiadidiana ny tanan’Antsirabe notarihan’ny ben’ny Tanana Dr Unoh fa vao mangiran-dratsy dia efa tazana teny amin’ireo faritra nisian’ny fahavoazana. Isan’izany ny fahapotehan’ny jaridainan’ny Rosas na antsoin’ny olon hoe kianjan’ny very saina. Hazo lehibe roa no niongotra hatrany amin’ny fotony ka nidaraboka teo ampovoan’ny jaridaina. Ankoatra izay dia trano fonenana no sady fivarotana no nieren-doza tao Ambohimanabe fa kely dia kely monja no tsy nianjeran’ny hazo be tao amin’ity fivarotana ity. Voatery notapaha avokoa moa ny hazo teo amin’io toerana io satria efa antitra loatra ka atahorana hitera-doza.  Niara nifarimbola ny fiadidiana ny tanan’Antsirabe sy ny fitaleavam-paritry ny tontolo iainana tamin’ny fanapahana sy fanadiovana ireo toerana feno ratsan-kazo sy hazo notapahana.

Ho an’Antsirabe manokana dia nahatratra 184 ireo olona traboina avy amina tokatrano 45. Tranon-tsekoly miisa 5 no nandraisana azy ireo. Fantatra fa nanolotra fanampiana azy ireo ny fiadidina ny tanan’ Antsirabe sy ny faritra, ministeran’ny tontolo iainana sy fandrosoana lovainjafy kosa nanolotra kitay nandrahoana sakafo.

Andry N.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici