Tafiditra ao anatin’ny tetikasa RN 43 izay vatsian’ny BADEA vola ny fanamboaran-dalana ao amin’ny distrikan’i Faratsiho amin’ilay travaux connexe mirefy 24 km. Isan’izany ny làlana ao antapon-tanàna hatao rarivato mirefy 5 km izay nambaran’ny teo anivon’ny Faritra Vakinankaratra fa ho raisiny an-tanana ny fanamboarana izany. Ny volana febroary no nanombohana izany ary tokony haharitra efa-bolana eo ho eo fanatanterahana azy saingy hatramin’izao dia zara raha misy ny 30 isan-jaton’ny asa no vita. Raha ny fantatra dia olana eo amin’ny famatsiam-bola no niteraka izao fahataràna lavareny izao. Efa saika nody avokoa ny ankamaroan’ireo mpiasa fa ampahany vitsy monja sisa no miasa sady miandrandra mafy ny fandoavan-karamany. Nambaran’ireto farany fa tsy mbola nandray karama izy ireo hatramin’ny niantombohan’ny asa, raha miala amin’izao anefa izy ireo dia very anjavony ny hetsembohany hatramin’izay raha ny fanazavany ka aleony miaritra aloha.
Misy fiantraikany eo amin’ny andavan’andron’ny mponina ity tsy fahavitàn’ny làlana ity satria ankoatra ny fiakaran’ny vidim-piainana mampikaikaika dia vao maika nampitombo izany ihany koa ny faharatsian’ny làlana. Tetezana iray ao Tsaratanàna mbola niasa mampitohy fokontany roa ao Faratsiho no napoaka efa-bolana lasa izay. Nambara fa hosoloina vaovao io tetezana io saingy hatramin’izao dia tsy vita ihany koa. Voatery mitsaka rano ny tantsaha ankehitriny ary tsy maintsy mifindra fitanterana na manao ‘transbordement” ny entana vao afaka miampita. Marihina anefa fa sarety taritin’omby no fitaterana tena fampiasan’ny tantsaha. Mitombo ny mason-karena ka mitombo manaraka izany ihany koa ny fiakaran’ny vidim-bokatra.
Marihina fa mizara telo ny tetikasa connexe RN43. Voalohany, Vinaninony-Ambatondradama mirefy 14 km, natomboka tamin’ny fomba manetrikeritra niaraka tamin’ireo milina fanamboaran-dalana saingy izao niato izao. Faharoa, Ambohibary mirefy 5km ary fahatelo ny rarivato ao Faratsiho mirefy 5km. Manodidina ny 30 isanjaton’ny asa no vita hatreto raha toa efa tapitra ny fe-potoana tokony fanatanterahana izany.
Andry N.