- Publicité -
mercredi, juillet 2, 2025
AccueilFaits-DiversVAKINANKARATRA : FIV MPA MA: Manana tombony amin'ny lalam-barotra ny mpikambana

VAKINANKARATRA : FIV MPA MA: Manana tombony amin’ny lalam-barotra ny mpikambana

Tontosa ny faran’ny herinandro lasa  teo ny hetsika ara-toe-karena nokarakarain’ny FIV MPA MA na « Fikambanan’ny Mpandraharaha Malagasy eto Antsirabe.

Hetsika nanehoana ny fahaiza-manaon’ireo tanora mpandraharaha eto amin’ny faritra tamin’ny alalan’ny fampirantiana sy fampahafantarana ny vokatra nahodina tamin’ny alalan’ny akora misy eto mba ho azo jifaina. Efa ela no niketrehana azy ity saingy noho ny zava-misy teto amin’ny firenena tamin’ny fiparitahan’ny  valan’aretina Covid dia izao vao tontosa. Hetsika tahaka izao no tena andrasan’ny mpamatsy vola dia ny Fikambanam-be iraisam-pirenena sy ny Sadec raha ny fanazavana. Tsy maintsy omena fahafahana ny orinasa mba hiverenany ami’ny tsena hiadiana amin’ny olana ara-bola ankehitriny.

Amporisihina ireo tanora mpandraharaha mba hiditra amin’ny tambazotra mba hanamorana ny fitadiavana lalam-barotra sy hisokafan’ny fifanakalozana fa tsy hionona eto amin’ny faritra fotsiny. Raha ny fanazavana dia efa misy hatrany amin’ny dimy arivo amin’izao ny mpikamabana manarena ny Nosy.

Marihina fa isan’ny tanjon’ity hetsika ity ny fampihaonana ireo tanora mpandraharaha eto an-toerana amin’ny mpiaramiombon’antoka sy ny mpamatsy vola. Fantatra fa maro ny tanora mpandraharaha eto amin’ny faritra saingy miafina izy ireny, tsy sahy mitranga, eto anefa dia mitaona azy ireny ny FIV MPA MA hiditra amin’ny sehatra ambonimbony kokoa fa vonona hanome torohevitra amin’izany ny fikambanana.

Andry N.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici