Nifoha tamin’ny torimasony ny FITEVA na Fikambamanana ifanampian’ny Terak’i Vakinankaratra, somary tsy dia re teo aloha teo ny fisian’ity fikambanana ity noho ny antony maro samihafa fa izao kosa dia nahatsapa ny lohandohan’ny mpisorona fa fotoana izao hamelomana indray ny fikambanana. Isaky ny dimy taona no misy ny kongresy nasioanaly, fotoana fanavaozana ny birao sy ny filoha mpitantanana. Ny volana Jona lasa no nanatanterahana izany tao Antananarivo ka lany ho filoha nasionaly tamin’io fotoana io Atoa Andrimaharivolamena Zavamanitra, marihana fa solombavambahoaka ao Fandriana ny lehilahy. Nosokafana tamin’io fotoana io ihany koa ny fankazalazana ny faha-70 taona nijoroan’ny FITEVA .
Amin’ny maha kongresy nasionaly azy dia navaozina tamin’io fotoana io ihany koa ny sata mifehy ny fikambanana, raha toa ka miisa fito ny filoha lefitra izany hoe manerana ny faritany dia novana ora sisa izany ka navadika mpandrindram-paritra ny ambiny. Teo aloha niara niasa tamin’ny fanjakana lany eram-bahoaka ny FITEVA fa izao kosa dia miaraka amin’ny fanjakana lanim-bahoaka, midika izany fa tsy mialon-jafy ny fikambanana, ny fanjakana mijoro misy eto Madagasikara dia miara-miasa amin’ny fikambanana hoy Randrianandrasana Tinarivo Abel filohan’ny FITEVA . Antom-pisian’ny fikambanana hatramin’izay 70 taona nisiany izany ny fikolokolona ny maha olona indrindra ny mpikambana, mijery ny mahasoa ny mpikambana indrindra ireo any amin’ny faritra sy ny manodidina ny anjery manontolo, eo ihnay koa ny any amin’ny ambaratoga fototra, tarigetran’ny FITEVA rahateo ny hoe “ fifankatiavana, firaisankina,fifanampiana ka arahina ara-bakiteny. Ho fanamarihana ny faha -70 taona nitsangan’ny FITAVA io dia hisy ny “cabaret” hiarahana ami’ny tarika Lolo sy ny tariny, Jeneraly hatao ny faha 29 Aogositra ho avy izao eto Antsirabe hanasana ny mponina sy ireo mpikambana rehetra, entina hanatsarana sy hampandehan-draraharan’ny FITEVA ny vola azo mandritra io hetsika io.
Misy manerana ny Nosy ny FITEVA, saika ahitana azy avokoa manerana ny faritra misy eto, eny fa hatrany ampitandranomasina amin’ny alalan’ny diaspora.
Andry N