- Publicité -
mardi, août 12, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversVAKINANKARATRA : Hiditra amin’ny andiany faha 4 ny tsenaben’ny  « foie gras » ao Behenjy

VAKINANKARATRA : Hiditra amin’ny andiany faha 4 ny tsenaben’ny  « foie gras » ao Behenjy

Hotontosaina ao Antanimenabe Behenjy ny tsenaben’ny aty matavy na « foie gras »ny faha 14 -15 Aogosotra 2025 ho avy izao. Hiditra amin’ny adiany faha efatra ity hetsika ara toe-karena ity izay karakarain’ny vovonan’ny mpisehatra amin’ny aty matavy ampian’ny fiadidian’ny  faritra vakinankaratra,  mpiara miombonantoka kosa ny LFL sy ny Groupe Basan amin’ity andiany ity.

Ankoatra ny maha hetsika ara toe-karena azy dia mazava loatra fa hahazo tombony lehibe amin’ny zavatra tahaka itony ny tantsaha mpiompy amin’ny alalan’ny varotra fampiratiana  ary indrindra fampahafantarana ny vokatra misy. Fantatra nandritra ny valan-dresaka nomena ny mpanao gazety ny faran’ny herinandro teo fa efa miparitaka manerana ny faritra ny « aty matavy » vokarina ao Behenjy ary efa mahazo ny sehatra iraisam-pirenena mihitsy.

 Nandritra izay efa taona nisian’ny tsenaben’ny aty matavy izay dia tsapa fa nitondra fivoarana be teo amin’ity seha-pihariana ity ny fisian’ny tsenaben’ny « aty matavy » ary indrindra nampiaka-danja ny sata mifehy azy.

Hifanindry andalana amin’ny tsenaben’ny aty aty matavy ny « festivale de la RN7 » tsy ny sehatra ara toe-karena fotsiny noho izany no hahazo tombony fa misokatra ihany koa ny lafiny fizahan-tany, saingy mety hiteraka sary ratsy ho an’ireo vahiny anefa ny fanamboaran-dalana atao amin’ny RN7 Antsirabe-Antananarivo noho ireo lalana efa notrongisina amina kilaometatra maro  nefa mbola ho ela vao ho vita ; sairana ny mpampiasa lalana noho ny haratsiany amin’izao fotoana, mpiampy ny vovoka be .

Nampihena ny tahan’ny  mpiala sasatra mihazo ny lalam-pirenena faha 7 ny fanamboarana misy amin’izao fotoana noho ny haratsian’ny lalana nefa mitarazoka loatra ny fandeanan’ny asa.

Andry N.

- Publicité -
Suivez nous
414,384FansJ'aime
12,533SuiveursSuivre
1,820AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici