Maro loatra ny toeram-piofanana mpampivelona sy mpitsabo mpanampy “ paramédicaux” tsy ara dalàna eto amin’ny Nosy. Tsy latsaky ny 120 amin’izao fotoana ny isan’ireo sekoly manofana paramédicaux , ankoatra ireo ny sekoly tsy ara dalana tsy mahefano ny fepetra takiana nefa misokatra ihany. Isan’io fepetra io ny fitakiana ny fampiharana ny système LMD, misy sekoly sasany na ny fitodrafitrasa hiatrehana azy io aza tsy misy akory, ankoatra izay ny tsy fananana mpampianatra matihanina, izay tranga mpiseho any amin’ny distrika matetika, hoy ny filohan’ny holafitry ny paramédicaux Rakotonirina Urbain Antoinne raha nitafa tamin’ny mpanao gazety. Tokony hakatona haingana ireo sekoly hita fa tsy manaraka ny fenitra takiana, hoy hatrany ny filoha, satria mampidi-doza ho an’ny firenena sy ny taranaka. Tsy ampy anefa ny mpampivelona sy ny mpanampy eto amin’ny firenena raha ny fantatra. Noho izany indrindra dia mifandraika amin’ny filana ny famoahana tamin’ny fomba ofisialy ho fantam-bahoaka ireo mpiofana paramédicaux miisa 103 nahavita ny fiofanana tao amin’ny INSPNMAD Antsirabe ny faran’ny herinandro lasa teo . Fitaratra no anarana nisaloran’ireo andiany faha-6 ireto, telo taona ny faharetanan’ny fampiofanana niaraka tamina pratika avy hatrany, ny 53 tamin’izy ireo dia nanaraka ny fiofanana mpampivelona raha toa ka 50 kosa ny mpitsabo mpanampy. Marihina moa fa ray mpiahy ity andiany ity ny solombavambahoakan’Antsirabe Michel Ambavalato. Safidin’ny mpianatra malalaka aorian’izao nahavitany ny fiofanana izao ny hanoy fianarana, na hiatrika asa avy hatrany. Volaza mantsy fa afaka miasa avy hatrany ireto tanora nahavita fiofanana ireto.
Andry N.
ANTSIRABE
Depiote Michel Ambalavato : Tsy mitaky ny fisotron-dronono ho an’ny solombavam-bahoaka
Tsy isan’ireo mitaky ny fisotroan-dronono ho an’ny solombavam-bahoaka ny tenako hoy ny solombavam-bahoakan’ny Madagasikara, voafidy teto amin’ny kaominina Antsirabe voalohany Michel Ambalavato. Tsy laharam-pahemehana izany hoy ny tenany amin’izao fahantrana lalina lalovan’ny firenena izao. Efa hatry ny ela aho no nisotro ronono hoy hatrany ny depioete Michel satria mpiompy omby izy raha ny fanazavany. Nambarany ampahitsiana koa fa manana fiara tsy mataho dalana maro ny tenany ka tsy izy mihitsy no andeha hitaky fiara 4*4 ho an’ny solombavam-bahoaka. Ny maha maika hoy izy dia ny fanasoavana ny vahoaka mba hitadiavana vahaolana maharitra amin’izao vidim-bary midangana, tsy zakan’ny vahoaka Malagasy izao intsony. Paikady efa napetrany tokony hataon’ny fanjakana hoy hatrany ny depiote ny fizarana masomboly sy zezika maimaim-poana ho an’ny tantsaha. Tokony hanana famatsiam-bola ihany koa ny fambolena eto Madagasikara fa mahamenatra ny firenena ny fanafarana vary matetika any ivelany.
Isan’ny mampidangana ny vidim-bvary ny fanafenan’ireo mpamongady ny tahirim-bary ka nanaovay antso avo mba hiala amin’izany toe tsaina izany. Ankoatra izay ny tsy hanaovana varo maitso ho an’ny tantsaha eny ambanivohitra fa sady voararan’ny lalana izy ireny no maha fantiantoka tanteraka.
Andry N.