mercredi, avril 2, 2025
AccueilFaits-DiversVAKINANKARATRA : LIONS CLUB ANTSIRABE RANOVISY : Nanome fitaovanaho an’ny Hopitaly atsimo

VAKINANKARATRA : LIONS CLUB ANTSIRABE RANOVISY : Nanome fitaovanaho an’ny Hopitaly atsimo

Hanatsarana ny tolotra ara pahasalamana sady hanatevenana ny fitaovana ara pandidina ao amin’ny Hopitaly Atsimo CHRR no antony nanoloran’ny Lions Club Antsirabe Ranovisy sy ny fikambanana Claira fitaovana mifandraika amin’izany. Ny zoma faran’ny herinandro lasa teo no nanolorana ireo karazana fitaovana ireo tao amin’ny CHRR, natao ho an’ny daholo be ity fanampiana ity ary afaka misitra izany avokoa rehefa tsy salama manaraka fitsaboana ao amin’ny Hopitaly. 

Nitarika ny fotoana  ny filohan’ny Lions Club Antsirabe Ranovisy Randriambololona Rija, nomarihiny fa tsy sambany no manao hetsika ara tsosialy tahaka izao ny Lions Club fa isan’ny anto-pisian’ny fikambanana ny mijery sy mitondra tantsoraka ho an’ny mpiara-belona araka izay vita sy eo ampelan-tanana. Nisolo tena ny fikambanana “Claira” kosa ny governoran’ny faritra, ity farany izay filoha lefitry ny mpanolo-tsain’ny fitantanan’ny “Claira”.

Andry N. 

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici