Loza mitatao ho an’ny faritra vakinankaratra ny andiam-balala amin’izao fotoana. Efa tafiditra ao Mandoto mantsy ny ampahany amin’ireo valala avy ao Miandrivazo. Manamaizina lanitra ny fahamaroan’ireo andiam-balala raha ny voavao voaray avy any an-toerana. Manoloana izany, nanao valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety ny faritra ny zoma 21 martsa lasa teo, izay notarihan’ny lehiben’ny faritra Andriamasimanana Samuel Bertin. Nambarany tamin’izany fa efa nisy ny tatitra nalefa tany amin’ny FAO mikasika io firongatry ny valala io. Eo am-piandrasana izany dia manao antsoavo hatrany ny faritra ny amin’ny tokony handraisana fepetra malaky ho fampijanonana io loza mitatao io. Ankoatra izay, nanentana ny mponina ihany ny lehiben’ny faritra, indrindra fa ireo tantsaha ao Mandoto, ny amin’ny tokony hanalana amin’izay ireo fambolena any an-toerana, indrindra ny vary, mba hialana amin’ny fantiantoka. Nanatrika ity valan-dresaka ity ny lehiben’ny distrikan’i Mandoto Razafinantoanina Andriamanana sy ny DRDR izay misahana ny famonoana valala. Nohamafisin’ny lehiben’ny distrika fa ankoatra ireo andiam-balala tonga avy ao Miandriavazo dia efa foy ihany koa ireo kijeja mameno ny havoana sy vohitra ao Mandoto ao. Misy ampahany ihany koa efa ary elatra ka manomboka manidina sy manatody indray. Ahiana ny mety hisian’ny mosary raha toa ka tsy voafehy haingana ny firongatry ny valala ao Mandoto indrindra amin’izao fotoanan’ny maitso ahitra izao.
Andry N.