Manamanarika ny faha-40 taonany ny CFAMMA na ivon-toeram-panofanana mahakasika ny fitaovam-pamokarana eto Antsirabe aminin’izao fotoana. Efa maro ireo mpianatra nivoaka tao amin’ity ivon-toeram-piofanana ity nandritra izay efa polo taona nisiany izay, mahatratra 5300 izany raha ny antontan’isa voaray. Isan’ireo mpianatra nivoaka tamin’izany ny andiany miisa 3 izay navoka tamin’ny fomba ofisialy ny faran’ny volana Oktobra lasa teo . Noho ny fisian’ny valanaretina Covid-19 no antony namoahana ny andiany telo miaraka izao hoy Rakotoson David tale jeneralin’ny CFAMMA. Manana ny mari-pahaizana « licence en machinisme agricole » ireto andiany telo ireto, izay miisa 147 misalotra ny anarana Raitra, Vatsy ary Tafaray. Tonga nanome voninahitra sy nanolotra ny mari-pahaizana ny minisitra ny fambolena sy ny fiompiana Ramilison Harifidy. Nambaran’ny minisitra fa afahana mampiroborobo ny sehatry ny fambolena ny fampiasana haitao sy fitaovana manaraka ny fenitra vokarin’ny mpiofana amin’ny ivon-toeram-piofanana tahaka itony. Afahana mampiakatra ny famokarana eto Madagasikara ny fanapariahana ny fitaovana mba afahan’ny firenena mahazaka tena ara tsakafo aoriana ao. Manana ny politika hanapariahana ireo fitaovana ireo ny ministera amin’ny alalan’ny fampiratiana sy fanamandrana ireo fitaovana any amin’ny faritra ka izay hita fa ilain’ny tantsaha manafaingana ny asa no ezahina aparitaka. Ankoatra ireo mpianatra 5300 nivoaka tao amin’ny CFAMMA dia roa no manana « doctorat en machinisme agricole » eto Madagasikara, niofana tao amin’ny CFAMMA fa nalefa mandrafto fianarana any Japon.
Andry N.