- Publicité -
mardi, juillet 1, 2025
AccueilFaits-DiversVakinankaratra : Mpitondrav bajaj nandà fisavàna, nolazainy fa an’ny governora

Vakinankaratra : Mpitondrav bajaj nandà fisavàna, nolazainy fa an’ny governora

Lehilahy iray, mpamily ireny fiara kodiaran-telo na Bajaj ireny no voatery nosamborin’ireo zandary teo Ambohibary, tamin’iny lalam-pirenena fahafito, rehefa tsy nety nosavaina. Nambarany fa an’i Governoran’ny faritra Vakinankaratra io bajaj nentiny io. Rehefa nanontaniana anefa izany tompon’andraikitra izany dia nandà.

Raha ny fampitam-baovao azo, ny alakamisy lasa teo, Bajaj iray, izay tratra nitondra olona nihoatra ny tokony ho izy, efatra izy ireo miampy ny mpamily, ary nihoatra ihany koa ny faritra tokony handehanany. Voatery nosakanana araka izany ity fitaovam-pitanterana ity teo amin’ny sakana, nataon’ny zandary sy ny ATT, teo amin’ny fidirana teo Ambohibary. Rehefa nizotra tamin’ny fisavàna ireo antontan-taratasy mahakasika ity fitaovam-pitaterana ity anefa ireo mpitandro filaminana, raha ny vaovao azo hatrany dia nandà an-kitsirano ny tsy hanome izany ity lehilahy mpitondra bajaj ity. Nambarany mantsy fa hoe an’ny Governoran’ny faritra io Bajaj entiny io. Izany hoe, an’olona manam-pahefana ka tsy tokony ho voasakana mihitsy na hosavavain’ny mpitandrofilaminana angaha, raha ny heviny. Teo no eo ihany moa ireto tompon’andraikitra ireto dia niantso ity olona voalaza fa tompony ity. Nilaza mazava anefa ity farany, hoy hatrany ny fampitam-baovao avy any an-toerana fa « tsy mananafiara na bajaj mitatitra olona ny tenany ». Ary teo no eo ihany dia « nanome baiko avy hatrany ny hampidirana am-balan-tsazy folo andro ilay fitaovana ». Tetsy andanin’izay kosa, voatery nosamborina ary nentina natao fanadihadiana tany amin’ny biraon’ny zandary tao amin’ny zana-tobi-paritra Ambohimandroso ingahirainy, mpamily. Raha ny fampahafantarana natao dia vesatra maromaro ihany no hiampangàna ity lehilahy ity, anisan’izany ny fampiasàna anaran’olona ahazoana tombotsoa manokana na ilay antsoina « traffic d’influence », fitaterana tsy ara-dalàna, « violation d’itineraire », ary fanaovana taingim-be., olona telo ihany no zakan’ireny fitaovam-pitaterana kodiaran-telo ireny : roa miaraka amin’ny mpamily. Hentitra hatrany moa ireo teo anivon’ny zandary nanentana ny rehetra fa  « tsy hahasakana ny mpitandro filaminana tsy hanao ny asany ny fitononana anaran’olona ambony »

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici