Natokana ho volan’ny zaza autiste ny volana Aprily, isan’ireo faritra nanamarika ity andro maneran-tany amin’ny fanentanana ho an’ny zaza autiste ity ny teto Vakinankaratra.
Ny zaza autiste dia manana toe-tena na fahasamihafana ara tsaina na zaza hafa kely. Mazana manana olana amin’ny fitazaina azy ireny ny ray aman-dreny
Ho an’Antsirabe manokana dia manodidina ny 100 ny zaza Autiste ao anatin’ny fikambanana AEEDI izay ao anatin’ny “ Autisme federation de Madagascar”, marihina fa mbola misy ireo zaza Autiste no tsy mpikambana ao anatin’ity fikambanana ity. Ny AEEDI na “Association pour l’Education des Enfants ayant une déficience intellectuelle” dia fikambanana manampy ireo ray aman-dreny amin’ny fitazaina zaza autiste, sy manampy ireo zaza autiste hivoatra mba hananan’izy ireo ho avy mamiratra tsy ho vesatra eo amin’ny fiara-monina.
Nialohavan’ireo hetsika maro nanamarihana ity fotoana ity ny diabe nataon’ireo zaza autiste sy ny fampisehoana zava kanto nataon’ireo zaza ary nofaranana tamin’ny loabary an-dasy nitondrana fampianarana sy fanazavana ny amin’ny fomba fitazaina zaza autiste sy ny toetratoetran’izay ireny.
Tsy mitsahatra ny ady sisika sy fanentanana eny amin’ny fiaraha-monina amin’ny tsy hanilikilihana ny zaza autiste na zaza hafa kely.
Andry N.