- Publicité -
dimanche, mai 11, 2025
AccueilFaits-DiversVakinankaratra : Namono olona maro ny varatra

Vakinankaratra : Namono olona maro ny varatra

Hatramin’ny niandohan’ny fotoam-pahavaratra izay, dia efa maro tokoa ireo olona no maty nilatsaham-potaka raha teto amin’ny faritra Vakinankaratra manokana. Saika efa ho isan’andro mantsy rehefa mijijaka ny orana no handrenesana fa misy matin’ny varatra indray tany ho any. Tranga iray vao tsy ela akory, tao amin’ny fokontany Ambatolahimarina Ambohimiarivo Antsirabe II; tovolahy iray vao 20 taona monja no maty nilatsaham-potaka ny faha 15 janoary lasa teo. Maty teo noho eo ity tovalahy kely ity, voalaza fa nisy namany telo lahy hafa niaraka taminy tamin’io fotoana io, fa tsy nisy maty akory ireto farany fa may, ary mbola manaraka fitsaboana eny amin’ny hotapaly hatramin’izao. Ny ampintson’io andro io, nisy olona iray hafa koa no voalaza fa mbola maty nilatsaham-potaka tao Ambohimiarivo hatrany. Matetika no ambaran’ny olona fa sompatra ataon’ny sasany no mahatonga ny varatra milatsaka, ary mazàna hifaninanana izy io, indrindra any amin’ny tontolo ambanivohitra. Niteraka resa-be ary nampisahotaka ny olona tao Ambohimiarivo  mihitsy ity resaka varatra ity, satria nifanesisesy loatra ny olona  matin’ny varatra. Ankoatra izay, tsy nisy izay tsy nahafantatra ilay tranga niseho tao Androvakely vao tsy ela akory izay ilay nahafafy zaza efatra mianadahy nilatsam-baratra.

Araky ny loharanom-baovao hatrany, nilatsaka koa ny varatra tao Ambohipeno Antsirabe tamin’ny herinandro lasa teo ary namoizina ain’olona hafa koa.

Andry N.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici