Mandray anjara amin’ny fampandrosoana eto madagasikara ny ES DES na ivon-toeram-pampianarana iray amin’ny alalan’ny fampiofanana sy famoahana mpianatra nahavita fiofanana tao aminy. Hivelatra manerana ny Nosy ity ivon-toeram-pampianarana ity amin’ny alalan’ny fampianara ampitain-davitra. Eto Atsirabe no hanombohana raha ny fanazavan’ny tale jeneralin’ny ES.DES Rtoa Hanitriniaina Elia Chilo nandritra ny lanonana fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny sekoly ny faran’ny herinandro lasa teo. Isan’ny antony iray nanokafana ity sekoly ity ihany koa ny fahitana fa maro be ireo afaka bakalorea te hanoy fianarana nefa tsy afaka makany Antananarivo noho ny halavirana sy ny fasahiranana. Marihina fa misy ny fampianarana atrehina fa tsy mihonona amin’ny fampitan-davitra fotsiny ihany ny sekoly. Taranjam-pampihofanana efatra no azo arahina ao amin’ny ES.DES hatreto di any “ Gestion na fitantanana, ekonomia, asa sosialy ary ny agronomia.
Tombony lehibe ho an’ny mpianatra mpiofana ao amin’ny ES DES ny fahazahoana fianarana asa “stage” avy hatrany aorian’ny fampiofanana amin’ny alalan’ny fiaraha miasan’ny sekoly amin’ny ONG ACDM na Action Concrète pour le Développement de Madagascar misehatra amin’ny lafiny fampandrosoana.
Ankoatra izay dia manana Radio sy fahitalavitra amin’ny internet izany hoe amin’ny Web ny ES DES ka mirona kokoa amin’ny resaka fampianarana ny fandaharana amin’ny alalan’ny “application” napetraka mifanaraka aminy.
Andry N.