- Publicité -
vendredi, mai 9, 2025
AccueilFaits-DiversVakinankaratra : Nanolo tena ho printsy pavy i Angelina hoy ny T.A.M...

Vakinankaratra : Nanolo tena ho printsy pavy i Angelina hoy ny T.A.M fa tsy notendrena

Fikambanana iray mampivondrona ny tarak’Anjanapara rehetra maneran-tany ny TAM na halavaina amin’ny hoe Taranak’Anjanapara Miray. Ahitana sampana eto Antsirabe,Betafo ary Antananarivo ka hatrany Frantsa. Ao amin’ny kaominina Alakamisy anativato distrika Betafo no misy ny tanan’Anjanapara.

Tanjon’ny fikambanana ny hampivondrona ny taranaka hifankahalala sy hifanohana araky ny maha sosialy azy. Zava-dehibe andrasan’ny TAM ny hamaritra indray ny tantara niandohan’Anjanapara, ary hamerina ny soatoavina niainan’ireo razam-be taloha mba hiainan’ny vahoakan’Anjanapara sy hampandrosoana ny faritra  satria iaraha mahalala hoy Celestin Andriamampionina filohan’ny TAM sampana Antananarivo, fa ny fahasahiranana sy fahantrana misy eto amin’ny firenena dia noho ny fahaverezan’ny “identité”.

Ara-tantara dia I Kiaky Andriaparazato, taranaka andriana avy ao Antananarivo no nanorina ny tanan’Anjanapara teo amin’ny tendrombohitra antsoina hoe Enjanina. Efatra mirahalahy ny zanany ary 14 mirahalahy ny taranany izay mandrafitra ny TAM na Tarak’Anjanapara Miray, ireo no maha Anjanapara an’Anjanapara hoy ny fanazavana

Manoloana ny vaovao  izay nahely ka niteraka fanafitohinana ho an’ ny maro teto amin’ny faritra mahakasika an’i Rtoa Angelina avy ao Anjanapara izay milaza ho printsy vavin’ny Vakinankaratra dia nivoaka tamin’ny fahanginany ny T.A.M nitondra fanazavana tamin’ny alalan’ny valan-dresaka  ho an’ny mpanao gazety. Nambara tamin’izany fa mitazona ny satan’ny Andriana ny taranaka Anjanapara, tsy misy tombo sy hala fa mitovy marindrano avokoa.  Tsy nanendry an’iza na iza I Kiaky Andriaparazato , tsy misy ambony ary tsy misy ambany. Noho izany nisora-tena ho printsy vavy I Angelina fa tsy avy amin’ny T.A.M no hitondrany io anarana hisalorany io.

Ankoatra izay, didy napetrak’I Kiaky Andriaparazato ny hoe isaky ny 7 taona vao manao safo-drazana( famadihana) ny Andriana ka nanaraka izany ny taranaka, saingy nisy ireo nihoa-pefy taty aoriana tsy nanaja io tonon-taona io. Rano raraka ireny araky ny fanazavana hatrany fa manomboka izao dia tsy maintsy handray fepetra henjana sy hentitra ny T .A.M raha misy minia mbola hanatanteraka izany ireo taranaka tsy miray saina aty aoriana. Efa misy ny komity sy vaomiera mpikarakara izany.

Nanamafy ny TAM fa herim-pon’ny vahoaka sy ny taranak’Anjanapara Miray, ireo zanaka ampielezana, miampy ireo fanampiana avy amin’ny TAM any ivelany no nafahana nanorina lisea tao Anjanapara izay efa miasa na dia mbola tsy vita aza ankehitriny.  Marihina fa nampitondraina ny anaran’I Dox, mpanoratra malaza eran-tany ity lisea ity, I Dox dia avy ao Anjanapara ary ao no misy fasana ilevenany.

Ankoatra izay ny fananganana trano famakiam-boky tao amin’io lisea  dia avy amin’ny T.A.M saingy dia misy misalovana sahy manonona ny arany nanolotra izany ho an’ny FITEFA.

Araky ny vaovao iray mihely amin’ny tambazotra anefa  dia mikasa ny hanao safo-drazana ( famadihana) ilay mitono tena ho printsy vavin’ny Vakinankaratra ka andrasan’ny mpanara-baovao izay mety ho tohin’ny tantara.

Andry N.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici