
Tontosa ny fivoriam-be fananon’ny FiFata na FIkambanana FAmpivoarana ny TAntsaha, natao teto Atsirabe ny faran’ny herinandro lasa teo. Araky ny sata mifehy ny fikambanana dia isaky ny roa taona no atao ity fivoriam-be ity. Roa andro no naharetany, ny andro voalohany fivoriam-be tsy ara potoana nafahana nijery ny fanatsarana ny sata mifehy ny fikambanana satria nisy andininy vitsivitsy nasiam-panavozana, nisy ihany ny fifidianana ireo mpitantanta, isan’izany ny filankevim-pitantanana sy ny mpanara maso.
Ny andro faharoa kosa nanatontosana ny fivoriam-be ara potoana na « Assemblée General » nafahana nanao jery todika ny zava bita nandritra ny roa taona lasa. Fotoana ihany koa namolavolana ny paikady entina hanatrarana ny vinan’ny FiFata sy ny mety ho tohin’ny planina mandritra fotoam-pitantanana vaovao. Manana ny paikadiny ny FiFata miainga avy amin’ny vina « famokarana tantanam-pianakaviana matianina 85% » afaka mifanina amin’ny habetsahana sy hatsaran’ny vokatra , manaja ny tontolo iainana, efa nahazo fihofanana rahateo ireo mpamokatra ireo, mihangeza rahateo ity sehatra ity satria mitombo ny velaran-tany dia mitombo ny vola miditra hoy Atoa Rolland Rakotovao filohan’ny Fifata, ao anatin’ny fanajana ny tontolo iainana no hanatanterahana azy satria iaraha mahita ny fiovaovan’ny toetry ny andro.
Fanomezana tolo-draharaha miainga amin’ny filan’ny mpikambana eny ifotony, fiarovana ny tombontsoan’ny tantsaha mpamokatra eto amin’ny Nosy ireo no iraka tanterahin’ny FiFata. Manodidina ny telo hetsy ny tokatrano tantanam-pianakaviana no mpikambana eo anivon’ny FiFata , miisa fito arivo kosa ny fikambanan eny ifotony misandrahaka manarena ireo faritra misy ny Fifata, misy ny vovona miisa 13. Mpiahy ny Fifata ny ministeran’ny fambolena sy fiompiana maro ihany koa ny mpiara miombon’antoka, singanina manokana ny FERT izay isan’ny nahavitana ny 35 taona, nafahana nametraka karazana OPS maro miasa eny anivon’ny kaominina.
Andry N.





