Maro dia maro ireo tanona mihary liana amin’ny « titre vert » ho an’ny faritra vakinankaratra. Antotan-taratasy maherin’ny 320 no efa voaray nandritra ny fisokafan’ny fandraisana ny « dossier » tamin’ity andiany faharoa ity. Ao anatin’ny dingana fifantenana ireo anton-taratasy ny komity mpikarakara amin’izao fotana raha ny fazavana voaray. Nanomboka ny herinandro lasa teo ny fifantenana sy fisivanana ireo antontan-taratasy izay natao tao amin’ny efitrano Multi-Fonction I-votika ka ny governoran’ny faritra Vy Vato Rakotovao mihitsy no nitariika izany, izy rahateo no filohan’ny komity mpikarakara.
Marihina fa isan’ny mason-tsivana isafidianana ireo tanora ny fanarahana fiofananana sy fananana traikefa mahakasika ny tontolon’ny fambolena sy fiompiana.
Tanora miisa 100 no hotsongaina mandritra ity andainy faharoa ity ka velaran-tany mirefy 1Ha no hajarian’izy ireo mandritra ny telo taona amin’ny seha-pihariana katsaka sy soja ary fiompiana akoho gasy.
Ny distrika Faratsiho-Amparihy no hanatanterahina ny tetikasa « Titre vert » amin’ity andiany ity.
Andry N .