Tsy hisy intsony ny hazo holovain’ny taranaka eto Vakinankaratra raha izao fandripahana ny ala eto izao no mitohy. Tsy misy afa tsy 4% sisa ny ala voajanahary raha ny antontan’isa nomen’ny teo anivon’ny foibem-paritry ny tontolo iainana eto Vakinankaratra.
Manoloana ity fahalanin’ny ala eto amin’ny faritra ity dia namory ireo mpandraharaha mpikirakira ny hazo ny foibem-paritry ny tontolo iainana notarihan’ny talem-paritra Tojo Ratefason ny 4 septambra lasa teo. Nambara tamin’izany fa tsy hisy intsony ny fanomezan-dalana hanapaka hazo raha tsy mamerina ireo hazo notapahana amin’ ny alalan’ny fambolen-kazo ny mpandrarahara. Ho hentitra, hoy ny talem-paritra, ny fanaraha-maso izany, ary hofaizin’ny lalàna izay minia tsy manaraka izany. Nomarihin’ny tale fa tsy misy alam-panjakana azo trandrahana eto Vakinankaratra fa fitrandrahana hazo amin’ny tanin’olon-tsotra no misy eto. Ho an’Antsirabe I sy II dia mahatratra 15080 fototra ny hazo tapaka isam-bolana amin’ny tanin’olon-tsotra ka fahazoan-dalana manapaka hazo 50 no manatanteraka izany. Tsy ho ela dia ho tapitra ny hazo eto raha izao no mitohy.
Ho fanamafisana ny fepetra noraisina dia hasiana tanin-janakazo avokoa ny kaominina voakasika rehetra ka tsy voatery hiandry zanakazo avy amin’ny ministeran’ny tontolo iainana intsony ireo mpahazo tombontsoa vao afaka hamboly hazo, ary hisy ny fanaraha-maso amin’ny alalan’ny GPS ireo kaominina voakasika ireo.
Hitohy manerana ny distrika ity famoriana ny mpandraharaha eto Vakinankaratra ity ka aorian’Antsiraba dia hiazo an’i Faratsiho ny foibem-paritry ny tontolo iainana eto Vakinankaratra.
Andry N.