Hotanterahina amin’ity volana Septambra ity ny atrikasa handrafetana ny drafitrasa nasionaly amin’ny seha-pihariana ronono. Ronono tsara kalitao sy manaraka ny fenitra mba ho tombontsoan’ny rehetra no kendrena ary efa tafapetraka rahateo ny sata mifehy ny ronono.
Nisy ny fivoriana nialohavan’izao fanapahan-kevitra izao, natao ho fakan-kevitra ho fanomanana io atrikasa nasionaly io. Ho fitazomana ny kalitaon’ny ronono moa dia samy namoaka ny heviny avokoa ireo mpisehetra rehetra. Ankaotra izay ireo tantsaha nitondra ny hetahetany ho fanatsarana ny taraky ny omby vavy be ronono izay miantoka ny vokatra.
Tsy ny eto Antisrabe ihany no vokasik’ity fivoriana mialoha ity fa teo ihany koa ireo avy amin’ny faritra manodidina, ny avy amin’ny ministeran’ny fambolena sy fiompiana tamin’ny alalan’ny “video conference” tao amin’ny efitrano Mulifonction Ivotika.
Andry N.