- Publicité -
mardi, novembre 18, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversVAKINANKARATRA  :  Tafajoro ny fikambanana GEN Y

VAKINANKARATRA  :  Tafajoro ny fikambanana GEN Y

Nitsangana ara-pomba ofisialy ny fikambanana  GEN Y eto Vakinankaratra. Tontosa ny faran’ny herinandro teo ny fananganana azy ity teto Antsirabe. Hitondra ny feon’ny tanora any amin’ny mpitondra fanjakana sy handray anjara mivantana  amin’ny raharaham-pirenena mba hipetrahan’ilay fanovana iandrandrain’ny maro sy hanara maso ny fitatanam-panjakana ny GEN Y

Natsangana nandritra io fotoana io ny birao mandrafitra ny fikambanana  ka lany ho filoha, tamin’ny alalan’ny fifidianana Atoa Fetra Randriantsalama isan’ireo namolavola sy nahandro nahamasaka ity fihaonan’ny tanora GEN Y ity. Haharitra roa taona ny fitantanana.

Hanentana ny tanora hitsangana fa tsy hanaiky lembenana, hijoro amin’ny fahamarinana, tsy hijanona ho mpitazana intsony fa hiady amin’ny tsy rariny ary hitondra ny feon’ny tarora any amin’ny fitondra , isan’ny anto-pisian’ny GEN Y ireo hoy ny filoha.

Sehatra mary no hiasan’ny GEN Y, eo ny fanabeazana, ny fandraharahana, ny resaka tontolo iainana sy ny sehatra fahasalamana izay ananan’ny GEN Y solotena avokoa. Nasiana tsipika manokana ny ady atao amin’ny kolikoly amin’ireo sehetra rehetra misy eto amin’ny firenena. Hentanina ny tanora hiala ao anaty fahanginana hasahy hiteny rehefa mahita ny tsy fahamarinana.

Tsy fotoanan’ny tahotra intsony izao vanim-potoana izao, izany no mahatonga ny tanora tsy hiloa-bava fa mipirina, hanala izany fomba izany no hataon’ny GEN Y, tsy hanaiky lembenanana fa hiady  hatramin’ny farany raha tojo tsy faharamarinana sy kolikoly.

Raha tsiahivina, ireo teraka manodidina ny taona 1981 -1996 no GEN Y na “Millennials”.

Andry N.

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici