Nampiavaka ny fambolen-kazo miharo fitsangatsanganana nataon’ny mpikamban’ny FIOVA na Fivondronan’ny Orinasan’ny Vakinankaratra ny fikojakojana ireo zana-kazo novolena taloha izay hita fa maniry tsara no efa avoavo kokoa. Ankoatra izay dia fanasiana zazika ireo zana-kazo sy fihavana azy ary fanalana ny voto-bozaka fa manelingelina ny fitombon’ny hazo. Nahitam-bokany koa ny aro afo napetra. Taoarian’izany rehetra izany vao niroso tamin’ny fambolen-kazo ireo mpikamban’ny FIOVA, ary nanosoka ireo zanakazo tsy naniry ihany koa. Ny sabotsy 19 Febroary teo nanantosana izany tao Ambatolahy kaominina Vinaninkarena. Nambaran’ny Atoa Ramarijaona Andrinjafy fa hetsika efa fanaon’ny FIOVA ny fambolen-kazo tahaka izao sy ny fanentanana ny orinasa mba handray anjara feno amin’ny fiarovana ny tontolo iainana. Tsy mihanona amin’ny fambolen-kazo tahaka izao fotsiny ihany ny FIOVA hoy hatrany ny filohan’ny FIOVA fa nizara zanakazo ho an’ny mpikambana mba ho samy hanana ny fambolen-kazo any antokatranony ny tsirairay avy. .
Nihena ny doro tanety raha tao amin’ny kaominina Vinaninkarena hoy ny ben’ny Tanana Rasolofoniaina Stephanoel nanadray anjara feno tamin’ity fambolen-kazo ity. Manana zana kazo roa alina fototra ny kaominina ary tannin-janakazo miisa telo haparitakana manerana ny kaominina amin’ny famerenena maitso ny tanindrazana.
Andry N.