- Publicité SW45 -
dimanche, septembre 8, 2024
AccueilFaits-DiversVakinankaratra : Tsy mandoa ny volan’ny « fournisseur » madinika ny fanjakana

Vakinankaratra : Tsy mandoa ny volan’ny « fournisseur » madinika ny fanjakana

Hatramin’ny taona 2022 no efa tsy nahaloa ny volan’ireo mpanao ny asam-panjakana amin’ny alalan’ny tsenambaro-panjakana na ireo fournisseur ny fanjakana. Maro izy ireo no voakasik’ity trosa tsy nalohan’ny fanjakana ity indrindra ny avy amin’ny faritra saingy tsy sahy miteny noho tahotra ny mety antsonjay hiatra aminy raha maneho hevitra na koa mitaraina.

Nangiana izy ireo niandry ny rariny, ary nanantena fa hisy ampahany avoakan’ny fanjakana ny faran’ny taona lasa teo saingy tsy nisy hatramin’izao. Misy ampahany amin’ireo fournisseur manana fifandrasasiana akaiky ny tomponandrikitra no mahazo ka mangiana izy ireny,  ny ankamaroan’ireo fournisseur dia efa nalain’ny mpampiantoka amin’ny vidiny mora ny fanana toy trano sy fiara sns…

Tsy fananan’ny fanjakana vola no antony tsy nahaloa ireo trosa ireo tany amboalohany saingy  amin’izao  tsy fantatra intsony ny tena antony tsy handoavana ireo trosan’ny fournisseur madinika ireo.

Ankaotra izay, voalaza  fa voahitsakitsaka tanteraka ny zo fototry ny tahirimbolam-panjakana satria tsy misy mahatapa-kevitra ny lehin’ny tahirimbolam-panjakana amin’ny faritra fa tsy maintsy miandry baiko avy amin’ny lehibe vao mahazo mamoaka vola. Ohatra akaiky ny tsy fahafahana mamoaka vola amin’ireo  ny fandaniana tsy maintsy hatao na “dépenses obligatoires” fa tsy maintsy miandry fahazoan-dalana manokana vao afaka manao izany.

Manao antso avo avy amin’ny tompon’andraikitra mahefa noho izany ireo fournisseur madinika mba hamahana ity olana ity sy hampahafantatra azy ireo ny zava misy marina fa mijaly ireo mpandrahara ireo. Farafaharatsiny hoy izy ireo mba hijery ireo nampiasa vola latsaky ny 50 tapitrisa ariary mba hiverena’ny fahamarinan-toerana ara bolan’izy ireo ny fanjakana. 

Andry N.

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici