mardi, avril 22, 2025
AccueilCOVID-19Vaksinin’ny valanaretina « Coronavirus » : “Covishield” 11 000 ho an’ny faritra atsinanana…

Vaksinin’ny valanaretina « Coronavirus » : “Covishield” 11 000 ho an’ny faritra atsinanana…

Raha ny 10 may teo no nanombohan’ny vaksiny « Covishield » momba ny ady atao amin’ny « coronavirus », tafiditra amin’ilay fandaharanasa « Covax »-ny Vondrona iraisam-pirenena misahana ny fahasalamana (OMS), dia natomboka ny alatsinainy 17 may teo kosa izany ho an’ny faritra atsinanana. Tsy niova tamin’ny lamina efa napetraka ireo misitraka izany amin’izao andiany voalohany izao, ka ireo mpisehatra amin’ny fahasalamana, ireo mpitandro ny filaminana, ireo mpitsabo, ary ireo beantitra miohatra ny 70 taona.

Tahaka ny nitranga tamin’ny andiany voalohany ny 10 may teo, dia ny talem-paritry ny fahasalamana atsinanana, sy ny komandan’ny fari-piadiadian’ny zandary Toamasina, ny komandan’ny vondron-tafika faha-3 Toamasina, ary ny talem-paritry ny filaminana anatiny atsinanana, no nisantatra ny fanaovana izany vaksiny izany raha nitazam-pitsony miandry ny anjarany araka ny nambaran’ny governora atsinanana Rafidison Richard Theodore, sy ny ben’ny tananan’i Toamasina renivohitra Rakotonirina Nantenaina Herilala. Olona 50 isan’andro no kasaina hanaovana izany ho an’ny Toamasina renivohitra.

Mandritra ny 10 andro ny fisoratana anarana ho an’ireo olona tafiditra amin’ny fepetra napetraka, ka eny amin’ny CSB isaky ny boriborintany ny fanaovana izany. Raha ny fanazavana dia 11.000 « Covishield » no azon’ny faritra atsinanana amin’izao andiany voalohany izao, ka afaka telo volana ny famerenana mikasika izany indray. Toerana telo no afaka hanaovana izany eto Toamasina I, dia eo anivon’ny hopitaly manaram-penitra sy eo anivon’ny hopitaly kely ary ny eo anivon’ny toerana fanaovam-bakisiny CRJS natsangana manokana hanaovana izany vaksin’ny Covid-19 izany.

Ankoatra izany dia tsy maintsy mandalo dingana efatra ireo olona nahazo alalana fa atao izany vakisiny izany. Eo aloha ny fanamarinana amin’ny firotana ny anarana, avy eo ny fanomezana ny toro-marika samy hafa, manaraka izany ny toerana tena fanaovana ilay vakisin’ny  Covid-19, ary ny toerana fakana aina 15min mba ahafahana manara-maso ny mety hitranga aorian’ny fanidronana natao momba ny vaksiny.

Malala Didier

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici