lundi, avril 21, 2025
AccueilCOVID-19Vaksiny ny Coronavirus : Manao izany mandritra ny roa andro ny seranan-tsambon’i...

Vaksiny ny Coronavirus : Manao izany mandritra ny roa andro ny seranan-tsambon’i Toamasina…

Natomboka omaly alakamisy 10 jona ka mifarana androany zoma 11 jona ny fanaovam-baksiny teo anivon’ny seranan-tsambon’i Toamasina, izay nahitana ny teo anivon’ny Spat sy Smmc ary ny Apmf, teo ihany koa ireo mpiara-miasa rehetra eo anivon’ny seranan-tsambo. Miisa 400 teo ireo nisoratra anarana raha ny fanazavana azo, saingy mety hitombo betsaka izany araka ny nambaran-dRtoa Randriamalala Radotiana misahana ny mpiasa eo anivon’ny seranan-tsambo, nefa mbola afaka misoratra anarana hatrany ireo te-hanao izany.

Fiaraha-miasa teo amin’ny Apmf sy ny ministeran’ny fahasalamana no nahafahana nanao izao vaksiny amin’ny mpisehatra an-dranomasina izao, ka mandray an-tanana ny fanaovana izany vaksiny izany ny seranan-tsambo. Efa ny 18 may teo no nahavita ny azy ny teo anivon’ny Apmf araka ny nambaran’ny talen’ny Atoa Rakotoarizafimamy Franck, ka izao mamita ny mpiasan’ny seranana rehetra ny minisitera ny fitaterana izao. Nandritra ny lanonana fanokafana izao fanaovam-baksiny izao no nilazan’ny « Medecin Inspecteur »-n’i Toamasina I, fa natao hiarovana amin’ny tranga sarotra amin’ny coronavirus ny vaksiny, ka ilaina ny fanaovana azy toy izao satria mbola eto amintsika ny valanaretina ary mbola misy ny voa sy ny maty vokatra izany. Nohamafisin’ny talen’ny mpiasa eo anivon’ny orinasa Smmc Rtoa Razafindraoelina Josiane izany, ka nanambarany fa tsy vitan’ny mpitsabo irery ny ady atao amin’ny valanaretina mbola mandavo malagasy ity, fa ny fiarahan’ny rehetra ihany.

Ankoatra ny mpiasa sy ireo mpiara-miasa amin’ny seranan-tsambo, dia misy koa ny fanaovana izany ho an’ny vady aman-janaky mpiasa ampy taona eny amin’ny SEMEDI Tanambao V, toeram-pitsaboan’ny mpiasan’ny seranana. Manomboka anio ihany koa ny fanaovam-baksiny izany ho an’ny mpiasan’ny Smmc Ampasimazava Toamasina.

Malala Didier

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici