- Publicité -
mercredi, juin 18, 2025
AccueilFaits-DiversVaky fasana : Ireo karandoha sisa navelan’ny jiolahy

Vaky fasana : Ireo karandoha sisa navelan’ny jiolahy

Hatreto dia tsy mbola nisy fanadihadiana izay nanamarina ny hanaovana ireo taolam-balo.
Hatreto dia tsy mbola nisy fanadihadiana izay nanamarina ny hanaovana ireo taolam-balo.

Tetsy Androhibe-Atsimondrano no nisian’ity famakiana fasana ity. Razana 19 no indray tsy hita ny taolambalony rehefa natao ny fanisana. Ny asabotsy teo no nisy nahatsikaritra fa misokatra midanadana fotsiny ny varavaram-pasana. Nanomboka teo no nitsirihana izay mety ho zava-nisy. Tsy nisy afa-tsy ny karandoha sisa no navelan’ireo olon-dratsy tao. Asa, mety tsy lafo angamba izy ireny na koa tsy mifanaraka amin’ny filan’ireo mpividy taolam-paty. Hatreto dia tsy mbola nisy fanadihadiana na dia iray akory aza, mba nahafahana  nahalalana ny marina momba ity karazana halatra ity. Betsaka ny efa voasambotry ny mpitandro ny filaminana ,saingy hatreto dia tsy mbola nisy nahafantaran’ireo ny fandehan’ny trafika izany. Vokatr’izany, mijanona eo amin’ny honohono fotsiny sisa ny fahafantarana ny mety hanaovana ireo taolambalo. Na ireo olona voasambotra aza indraindray dia milaza fa tsy mahafantatra akory izay mety hanaovana azy ireny na koa izay tena hividy azy. Dia nionona amin’izay ihany koa ireo mpanao fanadihadiana, mitovy amin’ny olon-drehetra ihany ny fantany. Dia verivery fotsiny ny taolambalon’ny maty, ny razana izay isan’ny manan-danja amin’ny kolontsaina malagasy. Handaniana volabe ny fanaovana fasana, ny famadihana sy ny fomba hafa mifandraika amin’izany. Nefa dia very fotsiny ireo taolambalo aty aoriana anaovan’ny mpangalatra azy…

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser