Ambohimiandra. « Fasanabe » no fiantsoan’ny manodidina ilay fasana. Nisy namaky ny asabotsy teo ary isan’ny lasa tao ny razam-be antsoina hoe Rabiby…
Nobatain’ny olon-dratsy avokoa ireo razana teo amin’ny farafara vato miisa sivy. Manodidina ny fitopolo ka hatramin’ny valopolo isa izany, raha araka ny fanazavan’ny tompom-pasana. Naparitak’ireo eraky ny fasana izay tsy nilainy. Isan’izany ny labozia, ny potipotika lambamena ary koa ny entana nampiarahina tamin’ny razana sasany. Nosokafan’ireo ihany koa ny razana lena tao anatin’ny lambamena. Dia navelany teo izay rehetra mbola tsy maina ny taolany. Ny asabotsy lasa teo no nitranga izany zava-doza izany tetsy Ambohimiandra. Fasanabe no fiantson’ny olona eo amin’ny manodidina ity toerana fanitrihana razana ity. Isan’ny nahafantarana azy ny filevenan-dRabiby sy ny vadiny Ravololona. Rabiby dia fantatra tao anatin’ny tantaran’i Madagasikara ho mpitari-tafika izay nanao ny asany tamin’iny faritra atsimo sy atsinanan’ny nosy iny. Tamin’ny taonjato faha-19 no naorina ny fasana ary nampitondraina ny anarany taty aoriana. Ny olona teo amin’ny fokontany no nahita fa nivaha ny varavaram-pasana.
« Contre X ». Nampandrenesina ny tompom-pasana ary rehefa nojerena ifotony, niaraka tamin’ny pôlisy avy ao amin’ny boriborintany faharoa, dia tsikaritra fa voasokatr’ireo mpanao ratsy avokoa ny varavaram-pasana telo karazana mandra-pahatonga any amin’ireo farafara vato. Tsy fantatra hatreto izay tompon’antoka tamin’ity asaratsy ity. Zava-doza araka ny notenenina etsy ambony, satria amin’ny Malagasy dia manana ny lanjany manokana ny razana. Izany no antony hamonosana azy rehefa misokatra ny fasana ary indrindra koa antony hanaovana ireny famadihana ireny. Nefa dia nentin’ireo olon-dratsy avokoa ny taolam-balo an’ny razana efa ho valopolo, lasa hatramin’ny razam-be aza. Nipetraka ny fitoriana « contre X » eny anivon’ny mpitandro ny filaminana. Toe-javatra izay fanao ihany raha sendra mba hitazomana ireo olon-dratsy raha sendra mba hita izay misy azy ireo. Raha sendra, satria hatreto dia tsy lasa lavitra mihitsy ny fanadihadiana momba ny halatra taolam-paty. Efa maro ihany izay fasana vaky izay saingy tsy mbola nahitam-panazavana aloha hatreto hoe iza no tena ao ambadiny ary hatao inona izy ireny ? Tamin’ity indray mitoraka ity dia nanao antso avo ny tompom-pasana mba ho mailo ny eto an-drenivohitra fa efa tonga eto ny mpamaky fasana sy ireo asa masin’i satana, araka ny filazan’izy ireo.
D.R