- Publicité SW45 -
samedi, mars 15, 2025
AccueilFaits-DiversVaky ny fefilohan’i Sisaony : Mahery ny 8 000 ireo traboina

Vaky ny fefilohan’i Sisaony : Mahery ny 8 000 ireo traboina

Omaly hariva, fantatra fa efa tafakatra hatrany amin’ny 8 400 any, ny olona traboina vokatry ny fiakaran’ny rano. Rano miakatra vokatry  ny fahavakisan’ny fefilohan’i Sisaony. Voakasika manokana ny kaominina Soavina eny Atsimondrano. Tanàna maro no fantatra araka izany fa difotra anaty rano manomboka ety Ambodiafontsy no mianatsimo ka tratran’izany Ampanefy sy Ankadivoribe. Any amin’iny faritra iny, eo amin’ny 7 000 eo ny olona efa tratran’ny tondra-drano. Trano dimy no fantatra fa nianjera raha ny eny Ankadivoribe fotsiny. Ho an’ny kaominina Soavina indray, izay nahitana ny fahavakisan’ny fefiloha, dia tafakatra 1 400 ny traboina, hoy ny loharanom-baovao voaray avy tamin’ny tompon’andrikitra. Fianakaviana eo amin’ny 400 eo no tsy manan-kialofana. Izany rehetra izany no manome ny isa 8 000 mahery.

Eo anatrehan’ny fiakaran’ny rano faritra maro, indrindra ny eto an-drenivohitra no ahiana ho dibo-drano ao anatin’ny fotoana fohy, indrindra raha mitohy ny filatsahan’ny orana. Ao anatin’izany ireo toeran maro eto amin’ny kaominina Antananarivo renivohitra, miampy ny tanàna manodidina toy ny eny : Masindray, Ambohimanambola, Alasora, Ankaraobato, Tanjombato, Soavina, Anosizato-Andrefana, Andranonahoatra, Bemasoandro, Ambohidrapeto, Ankadimanga, Ampitatafika, Fenoarivo, Itaosy, Ambohitrimanjaka, Antehiroka, Talatamaty, Sabotsy Namehana et Ankadikely Ilafy. Tsy mitsahatra miakatra ny rano eny Sisaony; izay mahatratra 0,12 m tao anatin’ny 7 ora monja. Mbola hitombo izany fiakaran’ny rano izany indrindra taorian’ny orana tsy nitsahatra omaly alina.

Mipetraka amin’izao fotoana izao ny olana ho an’ny mpitondra fanjakana, aiza no hametrahana an’ireo traboina marobe ireo?

Nangonin’I r.s.

- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser