Olona manodidina ny 4000 eo ho eo no traboina tanteraka, omaly, teny amin’iny faritra Fenoarivo sy ny manodidina iny vokatry ny fahavakian’ny fefiloha manamorona ny ranon’i Sisaony. Omaly tokony ho tamin’ny 11 ora sy sasany tany ho any no vaky ity fefiloha ity teo amin’ny toerana antsoina hoe, Andrefan’Ambohimandroso, eo amin’ny 500 metatra miala ny lalam-pirenena voalohany, hiditra ny kaominina Fenoarivo. Araka ny fanazavàna azo, dia « ny maraina tamin’ny 6 ora dia efa hita fa tena efa niakatra be ny haavon’ny renirano ary efa maro ireo traboina niala ny trano fonenany. Ny antoandro ary dia vaky ilay fefiloha izay raha araka ny filazan’ny mponina dia nisy barazy tsotsotra no teo ka nitarika izao fahavakiana izao. Efa maro ny olona izay mponina teny no niala vokatry ny fanentanana maro kanefa mbola misy ihany ny misisika ny hiverina haka ny entany na koa nilaza ny mbola manana antony tsy maintsy handehanany eny, kanefa dia hentitra ny zandary ho fiarovana ny ain’izy ireo ka tsy namela azy ireo intsony na dia nisy aza ny fimonomononana ». Nisy araka izany ny fepetra tsy maintsy noraisin’ireo tompon’andraikitra teny an-toerana, nanomboka omaly. « Nanohy ny fanentanana ny olona mba tsy hanakaiky ilay fefiloha vaky ary nanentana ireo olona izay mbola tavela mba hiala ny trano dobo-drano ny zandary izay hijanona eny an-toerana mandra-piovan’ny toe-draharaha ho fiarovana ny ain’ireo mponina ». Fa ankoatr’izay, vokatry ny fandalovan’ilay andro ratsy sy noho ny fiakaran’ny rano, dia fantatra fa trano 14 no nirodana, teny amin’iny faritra Fenoarivo sy ny manodidina iny. Dimy tao amin’ny kaominina Alatsinainy Ambazaha, efatra tao amin’ny kaominina Ampitafika, telo tao Anosizato, ary roa tany amin’ny kaomina Ampahitrosy. Tsy nisy kosa, tetsy andanin’izay aina nafoy na olona naratra vokatr’izay, raha ny tatitra azo.
m.L