
Tsy dia zava-baovao ihany saingy omaly dia mbola voamarina fa eny Isotry sy ny manodidina azy ny famarotana entana azo avy amin’ny vaky trano. « Noraisim-potsiny teny amin’ny tsena Tsiafahy Isotry ny marainan’ny omaly ny lehilahy roa noahiahiana ho isan’ny tompon’antoka mivantana tamina vaky trano iray nitranga teny Sabotsy Namehana. Tratra teny amin’izy roalahy ireo ny entana very tamina vaky trano niseho ny alin’io ary nokasaina hamidy ny maraina vao mangiran-dratsy. Nentina avy hatrany teny amin’ny Biraon’ny Kaomisaria Boriboritany fahefatra ireto farany nanaovana fanadihadiana, ka tamin’izany no niaiken’izy ireo ny helony » raha araka ny fampitam-baovaon’ny polisy. Tsy mijanona ela arak’izany ny entana avy amin’ny vaky trano ny alina fa vao maraim-be dia efa tonga eny Isotry. Raha ny zavatra tsikaritra dia manomboka amin’ny efatra maraina dia efa misy toerana tena tsena be toa ny amin’ny atoandro eny an-toerana ary tsy miandry ela io fa alohan’ny amin’ny enina ora dia efa samy mangoron’entana ny mpivarotra. Andaniny ny mpamaky trano izay mandefa varo-boba izay azo ary ankilany ireo mpividy mora. Dia tena endrika toe-karena hafakely no mitranga eny an-toerana ao anatin’ny ora vitsy monja. Efa ela no nisy izany ary matetika aza misy olona vaky trano ny alina dia mividy ny entany eny indray ny mangiran-dratsy. Toe-karena ambanin’ny tany…
D.R
Tsenan mborondolo no fiantsoan’ny olona an’io. manaraka an’iny canal andriantany iny koa.
Efa ela ela no nisian’io!