Mirongatra ny asan-jiolahy. Mirongatra tanteraka izany tamin’ity volana ity. Fantatra koa fa nisy mpanakanto notafihan’ny jiolahy tao an-tranony ny alin’ny alakamisy hifoha zoma teo. Tsy nanome fanazavana betsaka izy ireo, mpivady samy artista, fa kosa ny hany nambarany dia tsy nisy naratra na ny aina nafoy. Izay tokoa sisa no zava-dehibe rehefa misy ny tranga toy izao. Tsy misy antra intsony mihitsy ireo jiolahy izay nanafika tato ho ato. Toa izay nitranga tetsy Ampamantanana, sady notifirina no notsindromina antsy Vao omaly koa, mpanakalo vola vahiny maty notifirina tetsy amin’ny biraony etsy amin’ny pavillon Analakely. Mikaikaika ny olona satria raha mba efa miady mafy daholo amin’ny alina, mihainohaino sy miomana, toa ny antoandro indray no manafika ny jiolahy tato ho ato. Midika izany fa tsy milamin-tsaina andro aman’alina ny ankamaroan’ny mponina eto an-drenivohitra. Vao mivoaka ny trano dia miasa saina sao hisy handroba ny trano, miditra ao koa dia miasa saina sao hisy hanafika. Ny hala-botry isan-karazany efa tsy lazaina intsony ary efa manakipy maso ny ankamaroan’izay niharany. Hita ho mihetsika mafy ihany ny mpitandro ny filaminana saingy betsaka loatra koa ny trangam-panafihana izay miseho. Mila miverina ny andrimasom-pokonolona amin’ny alina
D.R