- Publicité -
jeudi, juillet 10, 2025
AccueilFaits-DiversVaky trano : Roa lahy tratran’ny fokonolona

Vaky trano : Roa lahy tratran’ny fokonolona

Toerana roa samy hafa no fantatra fa nahatratrarana jiolahy mpamaky trano tamin’ny sabotsy maraina be teo, samy tany amin’ny 1 ora tany. Ny voalohany teny Ambohipo. Tamin’io ora voalaza io dia hitan’ny tompon-trano nisikotra varavarankely ilay mpangalatra. Avy hatrany ndia nitsoka sifile izy. Nivoaka ny olona ary dia tratra ilay mpangalatra. R. Nicolas no narany, 25 taona ary monina eny Ampahateza. Vao voasambotra ilay izy dia naterin’ny olona tany amin’ny biraon’ny polisy boriborintany faha-2. Nandeha irery ity jiolahy ity. Rehefa nohadihadiana izy dia fantatra fa tariby kely izay no nentiny namahana ilay varavarankely, izay efa saika nisokatra.

Ny famakiana trano faharoa dia niseho teny Morarano Ambanidia. Olona roa no nanao izany. Mbola ny varavarankely ihany koa no nosokirin’izy ireo. Rehefa natoa ny fisamborana dia tratra ny iray fa ilay faharoa kosa tafaporitsaka. Akory ny hagagan’ny tompon’ny trano fa kiraro sy finday very tamin’ny faha-18 may no hita teny amin’ilay mpamaky trano. Tamin’io andro io, nangalatra finday telo, blouson ary clé USB ity bandy ity. Niaiky  ny zavatra nataony izy tamin’ny fanadihadiana azy.

Omaly ireto olona roa ireto no natolotra ny Fitsarana.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser