- Publicité -
mardi, juillet 1, 2025
AccueilFaits-DiversValala efa vita karakaraka : Amidy mora eny amoron-dàlana

Valala efa vita karakaraka : Amidy mora eny amoron-dàlana

VALALADia « mana » latsaka avy any an-danitra tokoa e ! Raha ireo mpamboly no mikaikaika ny amin’ny afitsok’ireo andiam-balala, toa tsy dia nikoropaka loatra tamin’ireny valala nahamaizina ny lanitr’Antananarivo ireny ireo mponina, indrindra fa ireo teny amin’ireo kartie voalaza ho sahirana. Ny nikoropaka ny hanenjika sy hisambotra valala indray aza no masaka tao an-tsain’izy ireo, tsy lahy, tsy vavy, tsy lehibe, tsy kely fa dia roboka avokoa. « Sakafo matsiro ve tsy alaina ? Ary milaza ho tsy tia, nefa rehefa maheno ny fofony manentoento, voasarika ihany … » raha ny hiakiaky ny sasan-tsasany tamin’izy ireo, teny amin’ny faritra Andravoahangy iny. Nanomboka tamin’iny andro iny tokoa, tsy vitsy tamin’ireo mponina ireo no nahangona valala amin’ny gony maromaro mihitsy. Vita indray aloha ny vary maina tsisy laoka. Hisy tsaky kely ihany koa ireo izay zatra « kônsôma » sy tsaky vavony. Ny fikarakarana an’ireo valala tsirairay angamba no ela. Nefa rehefa ifarimbonan’ny mpianakavy io, vita ihany, toy ny tazana teny amin’ny faritra Ampandrana sy ny manodidina iny. Ny manasa, ny manendy na mitono, mora foana, ary dia sakafo mafilotra mivoaka avy eo, ho an’izy ireo. Fa ho an’ny sasany kosa, efa lasa lavitra ny sainy, namadika ity hanim-be, ho bizina amidy eny an-tsena, raha ny hita teny amin’ny faritra Ankazomanga, Antohomadinika, Andravoahany, sns. Tsy atao mahagaga intsony ny fisian’ny valala sy foza orana, « tonga dia vonona », miray akalana eny an-tsena eny amin’izao fotoana izao. Mba « supermarché »-n’ny sahirana e ! Fa ny fanontaniana goavana dia hoe, azo hanina ve ireo valala ireo ? Misy tompon’andraikitra ambony amin’ny fahasalamana angamba ao ambony ao, afaka hamaly izany. Irariana fotsiny ny tsy hahataraiky loatra ny fampahafantarana, sao tsy fatim-balala intsony no hiampantrampatra etsy sy eroa !

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser