Jiolahy voalaza fa nanafika mpizahan-tany tao amin’ny valan-javaboahary Ankarana, tany Ambilobe no maty niharan’ny fitsarambahoaka rehefa voasambotr’ireto farany. Nisy roa hafa naman’ity olon-dratsy ity kosa tafaporitsaka tamin’izany. Ny zava-nitranga : ny faran’ny herinandro lasa teo dia mpizahantany, terantany vahiny sy malagasy no niharan’ny fanafihan-jiolahy tao amin’io valan-javaboahary io. Telolahy ireto olon-dratsy, ary nirongo basy sy zava-maranitra. Avy hatrany dia ny vola sy ny zavatra sarobidy teny amin’ireto mpitsidika valan-javaboahary ireto no notakian’ireto olon-dratsy. Nentin’ny tahotra dia nanaiky tsy fidiny izay notakian’ireto mpanafika izy ireo, eny fa na dia maro aza mihoatra an’ireo mpanafika. Nony azon’ireo olon-dratsy izay zavatra notadiaviny dia nitsoaka avy hatrany izy ireo. Nampandrenesina avy hatrany teo ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny avy tao amin’ity toerana ity. Niara-nirohotra ihany koa ny fokonolona nikaroka ireto olon-dratsy ireto. Tsy lasa lavitra araka izany dia fantatra fa azon’ireo mponina ny iray, raha tafatsoaka ireo ambiny. Niharan’ny hatezeran’ireo fokonolona avy hatrany ity voasambotra ary tsy namelan’iretsy nahasambotra raha tsy afaka ny ainy. Mbola tratra tany amin’ity olon-dratsy ity moa ny iray tamin’ireo sakaosy izay nisy entana sarobidy sy vola izay an’ireo voaroba. Efa andalam-pikarohana ireo tafatsoaka kosa ny mpitandro filaminana amin’izao.
m.L