- Publicité -
mardi, juillet 1, 2025
AccueilFaits-DiversValanaretina Coronavirus eto Toamasina : Salama tsara ilay zaza 09 volana miabo...

Valanaretina Coronavirus eto Toamasina : Salama tsara ilay zaza 09 volana miabo ny Covid-19

Namaly ilay resabe nilaza fa maty ilay zaza 09 volana miabon’ny Covid-19 tsaboina ao amin’ny hopitaly manara-penitra Morafeno Toamasina, omaly maraina, ny talen’ny fahasalamana Atsinanana Atoa Rakotoarimanana Raymond. Salama, tsy misy soritr’aretina ilay zaza 09 volana; izay tsaboina miaraka amin’ny rainy sy ny mamany ary ny renibeny izy amin’izany, satria miabo amin’ny Covid-19 koa ireo ray aman-dreniny ireo. Olana izao hoy ny talem-paritry ny fahasalamana Atsinanana, dia ny fanaraha-maso ireo olona nifanerasera tamin’ireo “cas contact” miabo eto Toamasina ireo. Ny hetsika maika sahanin’ny talem-paritry ny fahasalamana Atsinanana sy ny ekipan’ny hopitaly manara-panitra Morafeno Toamasina izao, dia ny fampiantranoana sy ny fisahanana ireo olona 13 vaovao miabo  eto Toamasina ireo, satria ireo 09 miabon’ny coronavirus ao Ambatovy dia eo anivon’ny toeram-pitsaboana ao amin’ity orinasa ity ihany  no tsaboina sy araha-maso. Ankoatra izany, dia velom-bolo ny CRO Atsinanana sy ny talem-paritry ny fahasalamana Atsinanana, fa hapetraka eto Toamasina aloha manomboka eto ilay fiara “fitiliana mobil” ampiasain’ny Institut Pasteur de Madagasikara anaovana ny PCR amin’ny Covid-19. Hanamora sy hanafaingana ny fitiliana ireo olona ahiana eto Toamasina ny fisian’izany manomboka izao.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici