Nampahalala ny momba ireo fepetra noraisin’ny fanjakana amin’ny alàlan’ny minisiteran’ny fahasalamana momba ilay valan’aretina “coronavirus” ny talem-paritra Atsinanan’ny fahasalamana sy ny prefen’i Toamasina. Fihaonana natao tao amin’ny lapan’ny faritra Atsinanana araben’ny fahaleovantena, teo amin’ireo solontenam-panjakana sy ireo vondrona tsy miankina ato anatin’ny prefektioran’i Toamasina ; izay misy ny seranan-tsambo lehibe indrindra eto amintsika. Nampahalala azy ireo tamin’izany koa ny mikasika ny fitrangan’ity valan’aretina “coronavirus” ity, sy ny fomba fisehony amin’ny olona voany. Nandritra izany fihaonana izany koa no nahalalana, fa olona telo no efa naraha-maso teto Toamasina, fa avy nandalo tamin’ireo tany misy ny foiben’ny aretina tany Sina, satria raha ny 01 febroary no nanapaka ny zotra Sina – Madagasikara ny zotram-piaramanidina Malagasy, dia ny 04 febroary vao tonga teo anivon’ny talem-paritra Atsinanana ny fahasalamana ny lisitra momba ireo olona mampanahy tokony ho naraha-maso, ka ny 05 febroary vao natao izany. Niiba avokoa ireo olona telo avy any Sina nanaovana fanaraha-maso teto Toamasina ; izay niarahan’ny mpitsabo tsy miankina sy ny mpitsambom-panjakana. Ny sidina mampitohy ny firenena roa no miato amin’izao, fa ireo sambo mpitatitra entana kosa mbola mitohy hatrany ny fandraisana azy, nefa efa nomena baiko avokoa ireo tompon-tsambo rehetra mandalo eto Madagasikara, fa tsy maintsy manome ny momba ny fahasalaman’ny mpiasan-tsambony rehetra alohan’ny hidirany eto amintsika, indrindra raha avy nandalo tamin’ireo firenena misy ity valan’aretina “coronavirus” ity sy avy any Sina foiben’ny aretina.
Malala Didier