Manoloana ny zava-miseho eto amin’ny firenena sy eto amin’izao tontolo izao, izay mampihoron-koditra tokoa, noho ny fihanak’ity valanaretina Covid 19 ity. Milaza ho mahatsiaro manana adidy amin’ny mpiray tanindrazana aminy Andriamatoa Zaraniaina Christian, izay manam-pahaizana sy mpikaroka mandalina ireo fanafody miainga amin’ny fitrandrahana ireo zavamaniry. Tsy afaka ny hangina sy hipetra-potsiny ny tenany, hoy izy, satria izy dia kristianina ary Mpiandry izay manana nahazo iraka hamonjy ny mpiara-belona aminy toy ny hoe : sitrano ny marary. Ao anatin’izany iraky Jesosy Kristy izany no ilazany fa na dia eo aza ny fiparitahan’ity aretina mahatsiravina ity izay tsy araka ny nieritreretana azy mihitsy dia milaza ity manampahaizana mitarika ny fikambanana kristianiana sy toeram-pitsaboana iray (Fondation chrétienne Zaraniaina) etsy Adoharanofotsy fa manana vahaolana hiadiana amin’ity aretina ity ny tenany. Nambarany fa eto amintsika eto Madagasikara sy eo am-pelatanantsika ny teknika sy ny môlekiola ahafahana mandresy io fiparitahan’ny Coronavirius io. Toy izany koa ny misakana ny fiovaovan’io na « mutation » ary ahafahana mamongotra an’io tanteraka indray mandeha fotsiny. Noho ny fahatsapany izany adidy izany dia mijoro ny tenany hamaly ny antso nataon’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina tamin’izany fotoana, niantso ny Malagasy rehetra izay manana talenta sy manam-pahalalana mba hifanome tanana hikaroka ny fanafody hiadiana amin’ity valanaretina ity. Amin’ny fanetren-tena, hoy izy, no ilazany fa mpikaroka ny tenany ary manam-pahaizana tokoa ka nandalina betsaka momba ity aretina ity ka ahafahany milaza fa tany notahian’Andriamanitra i Madagasikara ka manana izay rehetra ilaina hiatrehana ity loza mianjady amin’izao tontolo izao ity. Nilaza moa izy fa efa hitany eo ny raikipohy na ny « formule » ahafahana mamokatra ny fanafody hiadiana sy hamongorana ity valanaretina Covid 19 ity ary vonona ny tenany hanome izany hanavotana izao tontolo izao. Mba hahatongavana amin’izany anefa dia miantso ny fiaraha-mientan’ny rehetra, kristianina, manam-pahaizana, orinasa samihafa ary rantsa-mangaika samihafa amin’ny sehatra rahetra iantsorohan’ny tsirairay avy, ny tenany mba hiara-misalahy sy hifanohana aminy ahafahantsika mamokatra ity fanafody ity ary hanaparitaka azy ao anatin’ny fotoana fohy. Tsy vola, hoy izy no angatahany amin’izany ary notsindriany fa raha misy manao fanangonam-bola na «levée de fonds » amin’ny anaran’i Zaranaina Christian dia tsy avy aminy izany ka laviny ary toheriny marindrano. « Fiaraha-miasa no tadiaviko », hoy izy. Marihina fa tsy vao izao ity Mpikaroka ity no nilaza fa nahita ny fanafody mahasitrana aretina izay tena sarotra sy mampiakaikaika ny mpitsabo toy izao raha tsiahivina ny nanambarany ny amin’ny fitsaboana ny VIH/Sida. Tsy dia nisy niraharaha izany anefa ny tomponandraikitra mahefa tamin’izany ka dia lasa ny olona any ivelany indray no niara-niasa tamin’ity lehilahy ity.
Nangonin’i T.M.