- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilFaits-DiversValan’aretina Covid-19 : Mahasitrana hoe ny fitsaboana nentim-paharazana?

Valan’aretina Covid-19 : Mahasitrana hoe ny fitsaboana nentim-paharazana?

Nalaza teo aloha teo ary hatramin’izao ny hoe ireo fanafody nentim-paharazana eto amintsika dia ampy sy ahafahana mitsabo ary misoroka ny aretina Covid-19. Nisy mihitsy aza andian’olona nilaza ho mpitsabo nentim-paharazana, namantsimpatsika izany. Tena zava-misy sa tsaho fotsiny ihany?

Nitondra fanazavana mahakasika izay ny Filohan’ny Fikambanam-pirenenan’ny mpitsabo nentim-paharazana eto Madagasikara (FMNPM / ANTM), Atoa Andriandrainarivo Josephin. « Filazàna lainga na « déclaration mensongère » ho azo hisokajiana an’izay » hoy izy.  « Ny mpitsabo nentim-paharazana dia tsy manao fitiliana amin’ny fitaovana « moderne » ahafahana milaza fa tena hoe Covid-19 no mahazo ilay olona. Ny tranga miseho ety ivelany, toy ny hoe ny « allergie » no azon’izy ireo tsaboina. Fa raha hoe handeha hanasitrana ny Covid-19 izy ireny dia tsy misy izany. Averinay foana fa tsy afaka manao fitiliana na mampiasa fitaovana medikaly ny mpitsabo nentim-paharazana, izay hany tokana hahafahana mamantatra ity aretim-baovao avy any ivelany ity ». Nanisy teny ihany koa izy, mahakasika an’ireo fanafody « gasy » voalaza fa fiarovana na fisorohana ity aretina ity. « Tsy misy fanafody nentim-paharazana manokana mitovy lenta amin’ny vaksiny akory, ka afaka hisorohana izany aretina izany. Mbola lazaiko ampahibemaso fa lainga izay mpitsabo milaza fa manana izany. Izahay anie ka miara-miasa amin’ny Ministera, manentana ny olona hanao vaksiny. Araka ny teny filamatra miranty ao amin’ny birao-nay hoe ny fombandrazako no hampiasàko ny voajanahary, hampifamenoana amin’ny vaksiny, hamongorana ny Covid-19 ».

Marihana fa mbola misy ary tsy mbola lefy akory ity valan’aretina ity eto amintsika. Araka ny antontan’isa navoakan’ny Ministeran’ny fahasalam-bahoaka dia nisy iray namoy ny vokatr’izay aretina Covid-19 izay ny herinandro teo, raha 24 no tranga vaovao voatily. 

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici