Ny alarobia tolakandro teo no tonga nanatitra ny ampahany faharoa tamin’ireo fangatahana fanafody nataon’ny sapana mpitsabo ny zaza eo anivon’ny hopitaly be ny teo anivon’ny seranan-tsambon’i Toamasina (Spat), izay notarihan’ny talen’ny mpiasa sy ny fifandraisana amin’ny maha-olona, sy ny lehiben’ny departemanta misahana ny fitsaboana eo anivon’ny Spat.
Izay fanafody rehetra tao anatin’ny lisitra nataon’ity sampana fitsaboana zaza eo anivon’ny hopitaly be ity dia saika novidian’ny Spat avokoa dia izao natolotra izao, ka entina hanaovana vonjy taitra ireo zaza marary miditra hopitaly izy ireto, izay tsy hanavahana zaza marary, nefa aorian’ny roa andron’ny fitsaboana dia anjaran’ny ray aman-dreny indray no mividy izany eny amin’ny mpivarom-panafody ivelany sy eo anivon’ny hopitaly indray avy eo. Hiarahan’ny sampana fitsaboana ity mitantana amin’ireo solontenan’ireo ray aman-drenin’ny marary ny fitantanana ny fanafody fanomezana hialana amin’ny resa-be mandeha sy ny feo inian’ny sasany hahely ankehitriny.
Raha ny fanazavana nomen’ny talen’ny fahasalamana Atsinanana dia efa tonga any Brickaville sy Mahanoro koa ny valan’aretina kitrotro amin’izao fotoana izao. Tafakatra 13 kosa ireo zaza maty vokatr’ity valan’aretina kitrotro ity amin’izao, ka ireo zaza tara fahatongavana tonga eny amin’ny toeram-pitsaboana ny 10 tamin’izy ireo, ary saika zaza tsy nahavita sy tsy nanao vakisiny avokoa ireo tena mitondra faisana amin’izao valan’aretina kitrotro raha ny fanazavan’ny mpitsabo. Miisa 2 813 ireo zaza nandalo fizaham-pahasalamana voan’ny kitrotro teo anivon’ny hopitaly be hatramin’izao, ka ny antsamanilan’izany dia saika tafiditra hopitaly ka mahatonga ny taham-pahafenoan’ny hopitaly tafakatra ho 157% araka ny fanazavan’ny talen’ny hopitaly.
Efa manomboka midina ny tahan’ny marary tonga eo anivon’ny hopitaly izao raha taorian’ny fetin’ny Krismasy sy ny Taom-baovao teo no tena maro ny fahatongavan’ireo zaza marary, na izany raha ny alarobia tolakandro (3 ora hatramin’ny 4 ora 30 min.), nandritra ny fanadihadiana nataon’ny mpanao gazety teo anivon’ny sampana mpitsabo zaza eo anivon’ny hopitaly be dia efa zaza enina malemy ny kitrotro no niditra hopitaly ny iray tamin’izany dia voatera nomena “oxygène” mihintsy noho ny fahasemporana nahazo ilay zaza noho ny hafanany niakatra be loatra mihintsy.
Ankoatra izay dia mbola miangavy fanampian’izay malala-tànana amin’ny fanafody entina hanavotana ireo zaza marary hatrany ireto mpitsabo zaza ireto, ary mamporisika hatrany ny ray aman-dreny manana zanaka mbola tsy voan’ny kitrotro ho tonga hanao ny vakisiny ny 14 hatramin’ny 18 janoary izao, fa ny vakisiny ihany no fomba tokana fiarovana ny zaza.
Malala Didier