Tonga nametraka fitoriana tamina resaka “cybercriminalité” ny olona roa, lehilahy sy vehivavy tao amin’ny polisy misahana ny heloka bevava sakelika voalohany. Araka ny vaovao voaray dia nalaina baraka tamina resaka sary sy resaka vetaveta ireto olona ireto. Mpiray arak’asa fotsiny ihany ireto olona ireto nefa dia nisy nandefa an’ireo zavatra ireo ny vadin’ilay rangahy. Voalaza fa ny adiresy mailak’ilay vehivavy mpiray asa aminy no nandefa ilay sary, nanomboka ny volana jona lasa teo. Voalaza tamin’izany fa tamin’ny fotoana nandehan’ireto olona ireto namita iraka tany Mahajanga no nisian’io tranga mamoafady io ary voalaza avy eo fa ilay ramatoa niaraka tamin’ilay rangahy no nandefa ilay izy. Fantatra tamin’izany anefa fa adiresy sandoka ilay izy ka nametraka fitoriana izy ireo. Nisy lehilahy iray tao am-piasan’ireto olona ireto, izay araka ny voalazan’ny mpitandro filaminana dia teo ambany fifehezan’ilay rangahy nalaina baraka, noahiahiana ho nahavita izao asa ratsy izao ka naleha tany io rangahy io. Tamin’ny alalan’ny fisavàna ny solosaina nampiasan’ity farany no nahitana ny marina rehetra ka dia noraisim-potsiny ity lehilahy ity. Natolotra ny fitsaràna omaly.
m.L